Disitrikan’ i Mananara avaratra : manana ny herijikam-pampandrosoana rehetra

Distrika iray anatin’ny faritra Analanjirofo i Mananara Avaratra. Miisa 285.917 ny mponina ao aminy. Miparitaka anatin’ny kaominina 16 sy fokontany 208 izany.

Distrika anisan’ny tokony ho renivohitry ny karazan-karena  hahafahana mampandroso sy mampiakatra ny fari-piainan’ny mponina ao aminy i Mananara Avaratra. Nisy fotoana niroborobo ny seha-pihariana maro, saingy noho ny tanàna be fady dia nivadika ho fahasahiranana ny herijika. Anisan’ny tena mampalaza ny faritra ny harena an-kibon’ny tany. Maro ny kariera vaky tao an-toerana, nampiavaka an’i Manana­ra ka maha Ambatosoa azy. Niroborobo ny fividianana vato, tsy vitsy ireo teratany  vahiny nifidra-toerana tao Ma­nanara Avaratra. Betsaka ihany koa ny teratany malagasy nivahiny sy nitrandraka vato. Nifanindran-dalana ta-min’ny firongatry ny fanondranana an-tsokotsoko hazo sa­robidy (andramena) izany nandritra ny fitondrana Tete­za­mi­ta. Niparitaka ny volabe, tsy toko tsy forohana, tao an-toerana. Nialohan’ny Teteza­mi­ta ny taona 2009, namokatra izaitsizy jirofo. Tsara ny vidiny tamin’izany fotoana. Mbola niampy ny vokatra la­vanila izany. Nahatratra hatramin’ny 600.000 Ariary ny kilao  hatramin’ny taona 2018.
Raha fehezina, distrika ma­nana ny herijikam-pampandrosoana ny mponina ao aminy  Mananara Avaratra. Hita ao avokoa ny harena ambonin’ny tany, hazo sarobidy toy ny andramena, vary, jirofo, lavanila, sns. Ny ambanin’ny tany, volamena, vato sarobidy ary ny karazan-trondro an-dranomasina sy an-dranomamy, orita, orandava, patsabe, ma­kamba. Mbola anisan’ny faritra be ala mikitroka ihany koa izy. Voka­ny, maro ny karazam-biby amam-borona, tsy fahita afa-tsy any an-toerana. Manome vahana ny fizahantany sy ny fihazana ny fanihy, voromailala maitso, ganagana izany. Misy ihany koa ny bibilava toy ny manditra sy ny gidro. Indrisy anefa fa mivadika ho sakafo izany amin’ny tanàna maro lalovana, raha ho any Manana­ra Avaratra.

Maro zava-pady

Tanàna mbola betsaka zava-pady ny distrikan’ i Ma­nanara Avaratra raha ny fitantaran’ireo tangalamena na­naovana fanadihadiana. Lasa misy fiantraikany amin’ny fihariana sy fiveloman’ny tsirairay izany. Olobe an-tanagna 70 taona i Mena Alphon­se. Nila­za izy fa tamin’ny fotoana nampirongatra ny vidin’ny lavanila, jirofo ary vaky kariera, andramena ireny dia nitosaka ny vola. Vokany, betsaka ny zava-pady tsy tokony
ho natao kanefa nataon’ny mponina teto Mananara. Anisan’ireny ny sokajin’olona sahy mahandro lelavola fa atao ro mazava. Nisy ny mampifamatotra vola marobe ami­na tady, tarihina avy ao an-damosina ka ilazana fa ny vola manaraka azy. Tamin’ izany dia vidina 10.000 Ar ka hatramin’ny 15.000 Ar ny ranombonkazo amin’ny tavoahangy kely. Misy ny olona mividy zava-pisotro nampisotroina biby fiompy. Misy ny nirobaroba manofa fiara handeha hirendra any Toama­sina. Manginy fotsiny ny olona nividy kidoro marobe, handaniam-bola ka potehina isak’izay leo ny fandriana. Araka ny fanazavan’ny tangalamena any an-toerana anefa, fadin-drazana ny firobarobana na­taon’ny olona. Tsy azon’ny mponina atao ny tsy mahay mitantana fa mampitotongana ny faritra sy ny fianakaviana, ary ny tena mampihoron-koditra ny loza maro miseho any an-toerana.
«  Tsy tongatonga ho azy ireny loza an-dranomasina nahafatesana olona marobe ireny. Toy izany ny hain-trano mahatsiravina niseho matetika. Ankilany, ny fitsaram-bahoaka somary nahazo vaha­na tao an-toerana. Tetsy ankilany ny tranga niseho tao amin’ny kaominina ambanivohitra Imorona dia nisehoana fahafatesana tanora latsaky ny 25 taona nisesisesy. Maty tamin’ny fomba hafahafa noho ny fandikana fady. Azo eritreretina izany fa kapoka avy amin-Janagnary ny zava-misy sy ny fahasahiranan’ny mponina. Ny fihitsihan’ny vokatra, tsy misy mpividy”, hoy hatrany ireto raiamandreny ao an-tanàna.

Ala arovana sy fizahantany

Amin’ny ankapobeny, distrika manana toeram-pizahantany sy torapasika amoron-dranomasina tsara i Mananara Avaratra. Misy ihany koa ny eny amoron-dranomamy, toy ny ao Ambitsika. Toerana mahafinaritra nandraisana ny saka­fon’ny filohan’ny Repoblika sy delegasiona niaraka taminy tamin’ny fitsidiham-paritra nataony tany Analanjirofo. Olana maro ny toerana tsy voatrandraka, noho ny tsy fisian’ny lalana hivezivezen’ny mpizahatany. Olana iray hafa ny tsy fa­hampian’ny trano fandraisam-bahiny ao an-toerana.
Misedra olana ihany koa ny tomponandraikitra sy ny tangalamena amin’ny fiarovana ny ala sy ny valan-javaboahary.
Misedra ny mafy ireo vondron’ olona ifotony noho ny fi­sian’ny mena ambonin’ny mena. Betsaka ireo mpandroba ny harena voajanahary sy ny mpandripaka ny ala sy ny biby no manao tsindry. Maro izy ireny no mihaza sy manao izay da­nin’ny kibony any anatin’ny faritra arovana, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny toerana malaza amin’ny fampisakafoanana biby voarara ny hotely sasany any Samorona, Ma­nam­bato, Ivotaka. Mijoro vavolombelona amin’izany ny mpamily taksiborosy mpanjifa.
Marihina fa valan-javaboahary fanaovana fikarohana ny ao Ivotaka Mananara Avaratra. Ahitana karazam-barika hatramin’ny 300 be izao, toy ny Eulemur Coronatus, Eulemur Rubri­bentre, Eulemur Macaco, Eulemur Hybride, Eulemur Fulvus, Verecia Variogata, Indri indri, Cheirogulous Major, Microcebus Rufus, Avahi Laniga, Aye Aye.
Mahatratra hatramin’ny 70 na 80 taona ny faharetam-piainany ambonin’ny tany ary mitodra vohoka 9 volana ny varika ary mampinono sy afaka mibaby ny zanany.

Soratra sy sary : Sajo

Partager sur: