Tany sy trano: misy ny fepetra takiana ahazoana manofa na mividy

Azon’ny  vahiny atao, mandeha irery na anatin’ny fikambanana manaraka ny lalàna malagasy, ny mividy sy/na manofa tany sy trano eto an-toerana mandritra ny fotoana maharitra. Azon’ny vahiny maniry honina eto Madagasikara ny manao « bail emphytéotique » ho tambin’ny hofan-trano amam-bolana na aman-taona. Hahazoana manana fahafahana toy ny tompon-trano ny « bail » atao eto, na tsy tena tompon-trano aza.

Araka izany, afaka tompon-tany hatramin’ny 99 taona ny vahiny. Azon’izy ireo atao ny manangana trano hivarotana, manao indostria na trano hampanofàna. Singa iray amin’izany «bail emphytèotique” izany ny ahafahana manao antoka na trosa alaina amin’ny banky. Azo atao tsara ny manao izany « bail » izany hifanarahana amin’ny olon-tsotra na fanjakana. Tsy ahafahana manatanteraka izany kosa raha fifanarahana fanofàna tsotra fotsiny.

 

Fananana CSJ (Certificat de situation juridique)

Fepetra voalohany hahazoana mividy tany sy trano ny fananan’ny tompony taratasy ara-panjakana (CSJ) manamarina fa tena tompony. Ny CSJ no antoka ahafahana mifampiraharaha mivantana amin’ny tena tompon-tany. Marihina anefa fa ny ankamaroan’ny tany dia fananam-panjakana, na olon-tsotra aza no mipetraka eo aminy hatramin’ny taranaka maro mifandimby.

Azo atao koa ny mifanaraka mivantana amin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny « bail » . Ho an’ny olon-tsotra maniry hividy tanim-panjakana, am-boalohany, faritana tsara ny tany, araka ny lalàna, mangataka CSJ ao amin’ny sampan-draharahan’ny fananantany, ary apetraka ho fantatra eo anivon’ny fanjakana.

 

Raha tanim-panjakana

Somary lavalava ihany ny hahazoana tanim-panjakana raha ampitahana amin’ny tanin’olon-tsotra. Saingy, moramora kokoa ho an’ny orinasa iray manaraka ny lalàna malagasy ny mahazo tanim-panjakana hanaovana fihariana, tsy hizahana ny fihavian’ny mpitantana azy.

Hahafahana manao izany, ny mpampiasa vola mangataka “fahazoan-dalana  mahazo tany ” amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), sampana miadidy ny raharaha ara-toekarana ataon’ny orinasa tsy miankina eto Madagasikara. Eo ihany koa ny MDG Services, ohatra, manampy hahazoana an-tanana amin’ny fananganana orinasa.

Na izany aza, ny orinasa iray tantanin’ny vahiny tsy afaka mividy tany na trano. Saingy kosa, eo ny lalàna 96-016, tamin’ny 13 aogositra 1996, mamaritra ny fepetra mifanaraka amin’ny « bail emphytéotique », manofa mandritra ny fotoana maharitra.

Partager sur: