Ara-tantara : nidika ho sikidy sy haingo teo amin’ny Malagasy ny tombokavatsa

Manana ny fototra mampiavaka azy ny fanaovana tombokavatsa manoloana ny tantaran’i Madagasikara. Misy dikany ny endriny, arakaraky ny faritra sy ny foko tsirairay avy.

Zava-dehibe teo amin’ny Malagasy ny fanaovana izany. Anisan’ireo riba sy kolontsaina malagasy ary nanana ny naha izy azy teo amin’ny fiainan’izy ireo ny tombokavatsa, araka ny lahatsoratra “Les tatouages chez les indigènes de Madagas­car”, nosoratan’i Raymond Decary, ny taona 1935. Nidika ho sikidy majika sy haingo, anisan’ny mampiavaka ny Malagasy izy io.
Nihena tsikelikely io kanto malagasy io teto amin’ny No­sy. Ny mponina tany amin’ny faritra andrefana sy atsimon’ny Nosy Lehibe ihany no tena nanao azy io. Efa tsy nahitana izany firy intsony ny faritr’atsimo atsinanana, ny Betsileo sy ny Betsimisaraka…. Nanampy namerina sy nanome lanja izany ny asa fikarohana sy lahatsoratra nataon’i Ray­mond Decary momba io kolontsaina io.

Notsindronina tsilo

Endrika iray ahafahana misokitra sarin-javatra sy anarana eo amin’ny hoditry ny olona ny tatoazy. Natao tamin’ny fomba tena izy izany teto amin’ny Nosy. Notsindronina amin’ny tsilo ny hoditra. Nokosehina tamin’ny vovo-tsaribao sy katsaka ary ra­nomboankazo misy loko isan-karazany ny fery avy eo. Misy endrika manga mipoitra amin’ny hoditra rehefa sitrana ny fery. Tia mandoko sy manao tombokavatsa ny tarehiny amin’ny loko sy endrika maha­tsikaiky (boribory manodidina ny masony, telozoro manodidina ny orony, efamira eo amin’ny takolany,…) ny vehivavy Sakalava. Tia mampiasa iza­ny miaraka amin’ny haingo kely ihany koa ny lehilahy.

Ny endriny

Miendrika sary jeometrika ny tatoazy amin’ny ankapobeny. Kisary faribolana, telolafy, efajoro, biloka, lakoroa, sarin’olona, sarim-biby (omby, vorona,voay…), sikidy, anarana , masoandro… Misy dikany avokoa ny kisary rehetra.

 

 

Madagasikara : 420 ireo matihanina

Asa mahavelona tsara ny fanaovana tombokavatsa maneran-tany. Ho antsika eto Madagasikara, 420 ireo mpisehatra matihanina amin’ny fanaovana izany, raha ny antontanisa. Voasarika manao izany, ny Malagasy lahy sy vavy 15 hatramin’ny 65 taona. “Entina hanamarihana ny tantaram-piainana nolalovana, ny fanaovana izany”, hoy Razafimanantsoa Hanta Navalona, tomponandraikitry ny “Havatse Dago Tattoo Fest”. Mametraka ny tantara niainan’ny olona anankiray ny fanaovana izany amin’ny vatany. Mety ho alahelo, hafaliana, adin-tsaina…
Saropady ary mitovy amin’ny asa fandidiana any amin’ny hopitaly ny asa. Tsy voatery ho matihanina rehefa mahay sary ny olona iray. Ilaina fahaizana ny manao tsipika sy manindrona. Tsy maheno marary ny olona iray rehefa manatona azy ireny.
Ankoatra izay, misy fenitra tsy maintsy arahin’ny mpanao tombokavatsa rehefa te hisehatra amin’ny maha matihanina. Mampiasa fitaovana manara-penitra sy ara-dalàna (machine, encre, gant,…) avokoa izy ireo. Misy encre natokana ampiasaina amin’ny vatan’ny olombelona, mba tsy hiteraka aretina ho an’ny mpanao azy. Mahatratra 52 – 56 Euros ny vidin’ny iray amin’izany any Eoropa sy Etazonia. Vokany, lafo ny saran’ny fanaovana izany, amin’ireo sehatra matihanina eto amintsika. Mahatratra 40 000 hatramin’ny 100 000 Ariary ary mihoatra lavitra noho izany aza, raha ny fanazavana. Amin’ny ankapobeny, vidina fitaovana io sarany alaina amin’ny mpanjifa io.
Tokony hanatona matihanina ireo liana te hanao izany. Mba hialana amin’ireo karazana aretina maro samihafa (homamiadana, VIH sida…) mety mahazo ny mpanao izany. Raitra sy kanto ny asa, raha toa ka voahaja avokoa ireo fenitra takina ireo.

Partager sur: