Miharatsy andro aman’alina ny fiarahamonina iainan’ ny Malagasy ankehitriny. Tsy mahagaga raha mirongatra ny olona mikorontan-tsaina ka «mivaha» ara-bakiteny. Mampatahotra ny mivezivezy eny an-dalana. Aiza koa misy izany mivazavaza tampoka sy midaroka eny imasom-bahoaka. Mainka zava-doza ny any anaty fitateram-bahoaka, tsy tohinina avokoa ny olona. Mila mitandrina mba tsy hahavoahitsaka olona tsy nahy raha tsy te hanamparan’ny mpandeha ny hatezerany. Hita taratra ho mitady zavatra hialana vonkona ilay vahoaka malagasy miady mafy amin’ny fiainana.
Mifanindran-dalana amin’izay, mitombo izaitsizy ny mpatory eny am-boditambohon’olona sy ny dabam-pako. Loza ny fiatrehana ilay hatsiaka mamirifiry. Ny sakafo tsy misy, ny lamba firakotra mbola resaka hafa. Rangory fototry ny afo amin’izany ny fanaovana ankilabao ny marefo eto Madagasikara. Manampy trotraka ny tsy fisian’ny lamina manokana, nentina manarina taorian’ny valanaretina lavareny. Tsy hita hatramin’izao ny vahaolana. Miala andraikitra sy mitanisa ny olana no hany ataon’ny manampahefana.
Sanatrian-dresaka ny mamendrofendro satria tsy misy vahaolana mahagaga amin’ny zava-misy eto Madagasikara, ankehitriny. Tsy maintsy hampanenoana ny lakolosy mba hanaitaitra izay tsara sitrapo, afaka ny mitondra ny anjara birikiny. Tsy hiandrasana mpitondra fanjakana sy mpanao politika. Izy ireo izay variana amin’ny sezany sy efa manomanomana ny handeha hiala sasatra. Ny mpiara-belona, mifankahalala ny filana no afaka mifanolotra izay azo omena. Vanim-potoana izao mba hamerenana ilay trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana. Tsy maintsy mifanohana sy miray hina ny samy Malagasy ao anatin’izao ady mafy iaraha-mizaka izao.
r.r