Nanatanteraka dia an-tongotra nampitohy an’Ambatofotsy sy Ambatolampy ho fanombohan’ny fiofanan’ny USAD (Vondron-kery manokana misahana ny ady amin’ny asan-dahalo) andiany faha-28 ny avy ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena (FIGN), ny alatsinainy 14 novambra 2022 teo. Ankoatra ireo mandrafitra ny USAD, nandray anjara tamin’izany koa ny manamboninahitra ambony, manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra miasa ao amin’ny FIGN, notarihin’ny kaomandin’ny Hery vonjy taitra, ny Kly Noelson Randrianarivelo. Natao izao mba hanomanana ara-batana ho an’ireo USAD mialoha ny hidinana any an-kianja. Natao koa ho fanazaran-tena ho an’ny mpandray anjara rehetra sy hitarafana fa tsy mora ny zavatra hosendraina rehefa miantsehatra eny an-kianja. Taorian’ny dia an-tongotra, niroso tamin’ny fanokafana ara-pomba ofisialy ny fiofanan’ny USAD tao amin’ny toeram-piofanana na centre national d’entraînement spécifique de la gendarmerie nationale (CNESGN) Ambatolampy ny kaomandin’ny hery vonjy taitra. Nisy ny toromarika nomen’ity manamboninahitra ity ho an’ny mpanabe mba hametraka tanjona amin’izay taranja hampianarina ka hifandraika amin’ny zava-misy eny an-tsehatra.
J.C