Lavon’ny zandarimaria avy ao Antsohihy, omaly, ilay dahalo raindahiny atao hoe Flavien na koa Lefilany.
Tsy zoviana amin’ny mpitandro filaminana ao an-toerana ity malaso nampitondra faisina ny mpiara-belona aminy ity. Voatonona amin’ny raharaham-pitsarana maro izy ary efa niditra am-ponja mihitsy saingy tsy mety fay. Ny alahady teo, nisy nampandre ny zandary fa mihaodihaody tao Anjobony, kaominina Ankerika, distrikan’Antsohihy i Flavien. Efa nifampitadiavan’ny zandary hatramin’ny herintaona nivoahany ny fonja rahateo izy, raha ny angom-baovao. Vokany, raikitra ny hazalambo. Fantatra ny toerana nisy an’ity dahalo ity saingy nitsoaka nihazo ny distrikan’Analalava izy, niafina tao amin’ny kaominina Antonibe. Nandritra izany, fantatra fa mifandray tendro amin’i Jerisone sy ny ekipany ao Betomendry ny lehilahy ka tsy namelan’ny zandary noho izany. “Napetraka ny paikady rehetra sy ny velapandrika izay tao anatin’ny fahaiza-manao tanteraka mba hisamborana velona an’ity dahalo ity. Mba hahafantatarana ireo namany ihany koa”, hoy hatrany ny zandary. Omaly vao maraina, tazan’ny mpitandro filaminana tao anatin’ny alim-pandihizana iray i Flavien sy ny namany. Nitsoaka nivoaka ny tanàna nefa ireo dahalo nirongo fitaovam-piadina ireo vantany vao nahatazana ny zandary. Raikitra ny fifanenjehana. Vokany, lavon’ny balan’ny zandary ny lehilahy raha tafatsoaka niaraka tamin’ny basy lava kosa ilay namany.
Henintsoa Hani