Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny vela-pandrika, tra-tehaky ny polisy ny jiolahy roa lahy mpangalatra Bajaj, ny 8 novambra teo. Nitrangana halatra bajaj tao Amborovy, ny alin’ny 05 novambra. Lasan’ireto olon-dratsy araka izany io fitaovam-pitaterana io. Nametraka fitoriana ny tompon’entana. Nahatsikaritra olona nivarotra kojakoja miasa amin’ny Bajaj anefa ny tsara sitrapo ka nilaza tamin’ny polisy. Natao ny fikarohana sy ny vela-pandrika, sarona ny roalahy. Hita teny amin’ireto farany ny bajaj izay efa naparitaka. Natao ny fanadihadiana. Nanonona ny namany roa hafa izy roa lahy ary niaiky fa izy ireo tokoa no nanao ny fangalarana. Mitohy ny fikarohana ataon’ny polisy. Atolotra tsy ho ela ny fitsarana kosa ireto jiolahy tra-tehaka ireto. Marihina fa mirongatra ny halatra bajaj ao Mahajanga, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana.
J.C