VAOVAO TAMBATRA

60 taona niarovana ny tontolo iainana eto amintsika ny WWF Madagasikara. Faritra efatra no iasany : ny tontolo an-dranomasina any avaratry ny lakandranon’i Mozambika, ny tontolo an-tanety any avaratry ny Nosy, ny tontolo an-tanety sy an-dranomasina any Manambolo Tsiribihina ary ny tontolo an-tanety sy an-dranomasina any Mahafaly.
Anisan’ny nanatrika ny fihaonambe «Seamaul Undong», natao tany Busan Korea, i Madagasikara. Natao ny 4 hatramin’ny 6 jolay teo izany, notarihin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy. Hatomboka eny amin’ireo tanàna vaovao miisa telo ny fampiharana azy ao anatin’ny tetikasa «Titre vert».
Nampiditra tanora mpiasa miisa 44 latsaky ny 32 taona ny foiben’ny Banky iraisam-pirenena, ny taona 2022. Avy any amin’ny firenena miisa 20, vehivavy ny 45%. Manana ny mari-pahaizana “doctorat” ny 45% . Tsy voatery lafiny toekarena ny sehatra handraisana mpiasa. Misy ny fampandrosoana, ny fanabeazana, ny fiarovana sosialy, ny fambolena, sns.
Mbola misy ny olona mivarotra sokatra any anaty tambajotra sosialy. Efa nisy ireo tratra. Misy hafa mipoitra indray. Voararan’ny lalàna mifehy ny tontolo iainana tanteraka ny fakana, ny fihazana, ny fitaterana, ny fivarotana ary ny fanondranana azy ireny any ivelany. Sazy mihatra sy fampidirana am-ponja miampy onitra no miandry izay mandika lalàna.

Partager sur: