Hanomboka amin’ny alahady 20 novambra ho avy izao ny lalao fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra, « Mondial 2022» hatao any Qatar. Mirohotra mividy televiziona daholo ny ankamaroan’ny olona tsy mbola manana na koa manavao ny efa taloha, araka ny fanadihadiana natao teny Analakely, omaly. Manomboka efa miomana amin’izany avokoa ny rehetra raha nambaran’ireo mpivarotra. Nanao fihenam-bidy 20% tamin’ny fiandohan’ny volana novambra ny tolotra « Mondial » mba ahafahan’ny rehetra mijery izany fifaninanana iraisam-pirenena izany. Mahalafo televiziona miisa 25 isan’andro ny mpivarotra iray farafahakeliny. Tena be mpividy ny marika eoropeanina raha oharina amin’ireo marika sasany.
“Andro iray toa zato amin’ny fiainana ny Mondial, ka mila miavaka amin’ny zavatra jereny ny olona, sady efa misy ny fihenam-bidy,” hoy Rasamizafy Tsilavina, mpivarotra fahitalavitra. “Tena malaza sy be mpisafidy ny televiziona fisaka na ny“écran plat”izao, sady manararaotra ny fihenam-bidy ny olona, mijery baolina tsara”, hoy Randrianasolomanana Jean Fidel, mpivarotra televiziona iray hafa. “Tsy isan-taona no misy ny “Mondial” ka ilaina ny mividy televizionina vaovao” tatitr’i Frederic, Raim-pianakaviana. “Hanomana lanonana miavaka kely, ka mila mividy zavatra tsara amin’ity “Mondial” ity” hoy i Marc, mpividy.
Fitia (Mpianatra Asa)