Nanomboka omaly 15 novambra 2022 ny fotoam-panondranana lavanila mankany ivelany. Malalaka ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana (agrément) ho amin’izany hivarotra ny vokatra amin’ireo mpividy iraisam-pirenena. Dingana maro no nataon’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisitera misahana ny varotra (MICC) sy ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV) mialoha izao fotoam-panondranana izao. Tanjona ny hisitrahan’ny mpisehatra isan-tsokajiny amin’ny asan-davanila ny tombontsoa tokony ho azony, indrindra fa ireo tantsaha mpamboly.
Ankoatra ny famerana ny vidiny farany ambany (75 000 Ar ny lavanila maitso, 500 000 Ar ny voamana, ary 250 dolara ny vidiny any ivelany ), anisan’ny fepetra noraisina hitazonana ny kalitaon’ny lavanila malagasy ny fanaovana fitsirihana mialoha ny anondranana azy. Jerena amin’izany ny fatran’ny vanilline (taux de vanilline) sy ny hamandoana. Izany no tsy maintsy atao raha tiana ny hitana ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny vokatra natoraly.
Navoaka ny AMI* hanokafana ny tsena ho an’ireo mpividy any ivelany, vonona hanaja ny fepetra. Tsiahivina fa nomena ireo mpanondrana lavanila nandritra ny fivoriana notarihin’ny minisitra Razafindravahy Edgard tany Antalaha, tamin’ny herinandro lasa ny lisitr’ireo mpividy any ivelany, namaly ny tolotra.
Ndrina
AMI* : Appel à manifestation d’intérêt