“Iza koa izany?” Tsy maintsy ho maro no hametraka io fanontaniana io, indrindra ireo izay tsy dia maharaka firy intsony ny fizotry ny rivotry ny mozika amin’izao fotoana izao. Marobe ihany koa anefa ireo faly, vantany vao nambara omaly fa ho avy eto Madagasikara i Jason Derulo! Tototra fankasitrahana sy ny hoe “sasa-miandry” ny pejy facebook an-dry zareo Platinium Production, izay nilaza ofisialy omaly fa izy ireo no handray an-tanana ny fahatongavan’ity mpanakanto ity eto Madagasikara, amin’ny taona 2023.
Mpanakanto amerikanina, mivoy ny hip-hop, Rn’B ary ny pop i Jason Derulo. Tsy izay ihany anefa no hahafantarana azy, fa mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika ihany koa izy. Amin’ny maha mpihira azy aloha no hahatongavany satria fampisehoana no hataony eto. Ilay hirany “Whatcha say” tamin’ny 2009 no nanomboka nampalaza ity mpanakanto ity. Nialoha izany anefa, efa namoron-kira ho an-dry Lil Wayne sy ry Cassie izy. Ilay hira “Swalla” niarahany tamin’i Nicki Minaj kosa no tena nampalaza azy, izay narahin’ny “Good Bye” niarahany tamin’i David Guetta.
Zo ny Aina