Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sy ny sosialy (RDS), Fetison Rakoto Andrianirina. Anisan’izany ny momba ny demokrasia.
Gazety Taratra (*) : Hita sy miseho amin’izao herintaona tsy hifaran’ny fe-potoam-piasan’ny filoha Rajoelina izao ireo antoko politika na kely na lehibe. Anisan’izany ny antoko RDS, inona ny antony ?
Fetison Rakoto Andrianirina (-) : Teo hatrany izahay, nitondra ny hevitra ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Nitsikera ny tsy nety, nitaiza sy nanentana ny mpikambana. Maro ireo fanehoan-kevitra nentinay tamina sehatra marolafy niainan’ny firenena. Malahelo aho raha toa ka tsy nisy akony akory ireny, kanefa anjara andraikitra nomen’ny lalàna ho anay izany, amin’ny maha antoko politika anay.
*Tsy hita ianareo tamin’ireo hetsika nataon’ireo nitonona ho mpanohitra. Ohatra, ny RMDM, ny « Panorama », ny antokon’ireo filoha teo aloha. Manohana ny fitondrana izany ianareo ?
– Samy tsy nandray anjara tamin’izao fitondrana izao izahay sy ireo vondrona na antoko politika voalaza ireo. Mihevitra ny RDS fa novidian’ny firenena lafo ny famerenana ny rafitra demokratika teto taorian’ireny olana politika lavareny ireny. Ny fifidianana tamin’ny 2013 sy 2018 mantsy no nahatafaverina antsika tao anatina fenitra demokratika, ka samy manana adidy na ny mpitondra na ny mpanohitra tsy hahatafalatsaka indray ny firenena anaty korontana. Indrisy anefa fa samy alaim-panahy hahavery an-javony ireny ezaka ireny na ny mpitondra na ny mpanohitra. Niezaka mafy izahay ny tsy hiverenan’izany intsony. Efa ho folo taona tokoa izao ny Repobilika fahefatra ka mila tandrovana mba ho marin-toerana izy io, hahafahana mifantoka amin’ireo asa fampandrosoana.
*Inona no tianao hambara amin’izany ?
– Ny fametrahana ny safidin’ny maro amina olona ekeny hitantana ny firenena no atao hoe fenitra demokratika. Efa vitantsika izany. Anjaran’ny nomena fahefana anefa ny manaja ny teny nomeny sy ny fanatanterahana ireo fifanarahana na fampanantenana nataon’ny vahoaka. Adidin’ny mpitondra ny mametraka tany tan-dalàna sy mandala ny fangaraharana ary manomana sehatra ho an’ny fahalalahana maneho hevitra, ny manamora ny fifampihainoana/fifanakalozan-kevitra. Tsy nahefa izany ny mpitondra ankehitriny. Maro ny ohatra azo ambara. Etsy andaniny, manambana hatrany fikomiana sy ny korontana anefa ny mpanohitra. Mahatsiaro verezin-jo haneho hevitra sy tampenam-bava ary tsy henoina. Hiteraka korontana sy hanozongozona ny fototra demokratika izany, raha tsy mitandrina isika.
*Inoana fa manana vahaolana amin’izany ny RDS manoloana ireo trangan-javatra ambaranareo fa mety hiteraka korontana ireo ?
– Tsy azo teren-ko masaka ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena, kanefa takin’ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena izany. Vonona amin’izany ve ny fitondrana ? Ny mpanohitra efa miandrandra mafy. Ary raha ho atao ihany izany, iza no hitarika azy ? Tsy maintsy ny filoha Rajoelina no miahy izany hetsika izany. Etsy an-kilany, ny fifidianana koa anefa atomotra. Tsy haniry ny hisian’ny korontana mety hiteraka ny fametraham-pialan’ny filoha izahay, raha tsy hoe angaha ka handray izany safidy izany izy. Noho izany, fotoana izao handinihana manokana ny fametrahana ny fahaleovantenan’ny Ceni. Ny hisian’ny fangaraharana ka hahalavorariana ny asa fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana sy ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Fototra voalohany hiarovana ny fenitra demokratika tsy ho very ireo. Miankina amin’ireo no hamaritana ireo toko sy andininy tsy maintsy ovaina ao anatin’ny lalàm-pifidianana.
*Tsy marisika amin’ny fanovana na fanavaozana ny lalàm-pifidianana anefa izao fitondrana izao. Manaiky izany ve ianareo ?
– Tsy maintsy ahitsy izany lalàm-pifidianana izany raha toa ka te hanaja ny teny nomeny ny filoha Rajoelina momba ny fampandraisana andraikitra ireo mpila ravinahitra any ivelany « diaspora ». Azo araraotina ny manova na manovana araka ny voalaza ireo toko sy andininy mampanahy ny mpanohitra rehefa tsy maintsy hokitihina ihany anefa izany. Santionany amin’izany ny famerana ny vola azo ampiasaina mandritra ny fampielezan-kevitra. Tsy maintsy amin’ny alalan’ny fifampiresahana anefa no lalan-tokana hahatongavana amin’izany ! Ho resy lahatra ny amin’izany ve ny fitondrana ankehitriny ?
Nangonin’i Synèse R.