Antoko Fiombonana : “Tsy mbola tara ny fifampidinihana”

Aleo tratra aoriana toy izay tsy misy. Eo no anairan’ny antoko Fiombonana ny rehetra hiombona, hiverina amin’ny fifampidinihana, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, i Durlin Retogniane, manoloana ny fanomanana ny fifidianana ao anatin’izao fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy izao.

Tsy mbola tratra aoriana izay fifampidinihana izay amin’izao, raha manana finiavana ny rehetra. Betsaka ny zavatra tokony hodinihina amin’ny fanomanana ny fifidianana: ny amin’ny famatsiam-bola ny antoko politika, ny famerana ny vola hampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra, ny fehezan-dalàna momba ny fizakana zom-pirenena…

“Tsy nisy izay fifampidinihana izay ka somary sahirana isika amin’ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy”, hoy izy. Be dia be ny lesoka, raha tsy hiteny afa tsy ny tsy fahampian’ny fitaovan’ny mpanisa mpifidy, ohatra. Eo koa ny tsy fisian’ny faharisihana amin’ny fanomezana tambin-karama araka ny tokony ho izy.

Izay no mahatonga ny fahasarotana amin’ny fanatrarana ny isan’ny mpifidy 13 tapitrisa. Nefa efa misasaka ny fe-potoana telo volana tokony hanatrarana an’izay mpifidy 13 tapitrisa izay.

Raha ny kajikajy: raha 13 tapitrisa no tratrarina, tokony hahatratra mpifidy 4,5 tapitrisa eo ho eo isam-bolana. Nefa amin’izao, zara raha 30% ihany no vita ao anatin’izay.

 

R.Nd.

 

Partager sur: