Miseholany etsy sy eroa ny karazana fanairana amin’ny trangan-javatra eny anivon’ny fiarahamonina. Maneho ny fijeriny ny depiote voafidy tany Miarinarivo, tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa Fetra: “Tsy maintsy avahana ny tena “lanceur d’alerte” sy ny mpikarama an’ady”. Fanehoan-kevitra…
“Izahay ao amin’ny Vaomieran’ny serasera, eto anivon’ny Antenimierampirenena, mifampiresaka amin’ireo sehatra iraisam-pirenena, izay mametraka ho zava-dehibe ny fiarovana an’ireo mpisintona lakolosy, dia miombon-kevitra amin’ny hoe andao hasiana lalàna hiarovana an’ireto tena “lanceur d’alerte”. Tsy maintsy avahana ny tena “lanceur d’alerte” sy ny mpikarama an’ady.”
Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Miarinarivo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa Fetra, ny amin’ny mpisintona lakolosy na mpanao fanairana amin’ny trangan-javatra eo amin’ny fiarahamonina. Tsy asa fameloman-tena ny fisintonana lakolosy. Any ivelany, efa misy lalàna miaro an’izy ireny.
Misy, ohatra, te hitady vola amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, manonona anaran’olona. Manompa no ataony amin’izany dia lazainy fa mpisintona lakolosy izy ary tokony harovana manokana. Tsia. Mpanompa olona ireny ary misy lalàna eto Madagasikara manafay an’izany. Tsy mpanao gazety koa ireny ka hoe hialokaloka amin’ny lalàna miaro ny asa fanaovan-gazety.
Ilaina ny fandraisana andraikitry ny fitsarana
“Miantso ny rantsam-pitsarana rehetra handray ny andraikiny izahay, satria tena fandikan-dalàna ary fanimbana olona sy ny fiarahamonina malagasy no misy ao anatin’ny “facebook”, ohatra, amin’izao fa tsy fampahalalam-baovao”, hoy izy. Manentana ny olom-pirenena hahay handanjalanja ny vaovao aely etsy sy eroa koa izy. Maro ary miparitaka be ireo fantsona hahazoana vaovao amin’izao, ka tsara fantarina izay vaovao marina sy tena izy. Tsy misy afa-tsy ny mpanao gazety nianatra ary manao ny asa fanaovan-gazety amin’ny maha matihanina azy no azo antoka fa tena mamoaka ny vaovao marina.
Manana ny fomba fiasany ny mpikarama an’ady
Tsotra ny fomba fiasan’ny mpikarama an’ady: tenenina, ohatra, ny anaran-dRakoto, lazaina fa mpangalatra; avy eo, miantso azy Rakoto ary manome vola hoe aleo hilamina ny raharaha. Rahampitso indray, miantso an-dRabe izy ary milaza fa hamoaka vaovao momba azy raha tsy manome vola. Izany no entin’ny mpikarama an’ady hahazoam-bola sy hameloman-tena. Misy tena mirehareha amin’izany hoe malaza eto Madagasikara, ary miantsoantso hoe tsimatimanota. Izay no iantsoana ny rehetra hampihatra lalàna.
Tsy olana eto Madagasikara ihany izy io, fa olana maneran-tany. Raha tsy hanao na inona na inona, ohatra, isika, fa hitazam-potsiny: mino izy fa tsy hifankahitana ny fanabeazana eto, ary tsy hisy raharaha hanjary. “Aza gaga isika raha misy fanonganam-panjakana rahampitso na rahafakampitso vokatry ny tsaho aely etsy sy eroa”, hoy ihany izy. Na misy famonoana olona amin’izany, na fitsaram-bahoaka… Satria iainana isan’andro izany, ary heverina fa ao anatin’ny fandaminana fiarahamonina ny fanelezana tsaho.
Vonona hatrany amin’ny fifampiresahana ny Vaomieran’ny serasera eny amin’ny Antenimierampirenena amin’ny fanatsarana ny lalàna. Tsy misy sakana na iza na iza amin’izany na avy amin’ny firaisamonina sivily na antoko politika hiresaka ny amin’izay hanatsarana ny lalàna.
R.Nd.