Lalàna dia lalàna

Nivoaka iny ny tetiandrom-pifidianana. Lasa izao… Tsy azo ihodivirana intsony ny raharaha? Ny miatrika sy mandroso no mety. Haninona na hitaky inona indray ny mpanohitra? Izay mitranga sy atao rehetra, saika tsy mety amin-dry zareo avokoa. Izay ve no hoe manohitra? Mitsikera, manaratsy, manakorontana, mandrava aza. Tsy hita izay mety ho fanatsaran-javatra. Na misy aza izany, tsy ilaozan’izay ankifonofono na vela-pandrika. Hanao ahoana ny fifidianana amin’izany?
Manjaka loatra ny tsy fifampitokisana, fifanomezan-tsiny, fifampiandrasana kendry tohina… Ho tonga hatraiza? Anisan’ny fototr’izany, ohatra, ny tsy fanajana sy fampiharana lalàna, na ny didy aza. Tsy hoe rehefa lalàna dia lalàna? Nefa samy manana ny fandikany azy… Eny, na ny didy aza. Ny toerana misy ny tena sy ny tombontsoa arovana na iadiana amin’izany no mibaiko? Lasa tsy fandaminan-draharaha ny didy aman-dalàna, fa azo ifandroritana, iadiana, toherina aza.
Izany no anisan’ny mahasarotra sy mahamafy ny hoe fampandrosoana hatramin’izay? Lany andro eo am-piadiana… Izay koa no mahatonga ny korontana politika miverimberina. Tsy hajaina sy ampiharina ny fandaminana. Misy ny heverina ho ambonin’ny didy aman-dalàna? Na mahazo midrikina… Politika hatramin’izay? Tsy mety ho kolontsaina ny fanajana sy fampiharana didy aman-dalàna. Izay manaja izany aza no toa adala, sanatria, tsy mahay, te hoderaina…
Tsy hita sy iainana izay herin’ny lalàna, fa ny lalàn’ny hery no manjaka na ampanjakaina. Toy izany koa ny fahalalana lalàna? Ny lalàn’ny fahalalana no mahazo vahana. Izany io samy manao izay saim-pantany io, samy manana ny fandikany ny lalàna; eny na ny didy aza. Rahoviana vao hoe rehefa lalàna dia lalàna? Na ny didy dia didy…

R. Nd.

Partager sur: