Manodidina ny 20 ireo nandrotsaka antontan-taratasy hitantana ny fanarenana ny Jirama. Taorian’ny dingana, masontsivana maro, roa sisa no hisafidianan’ny fanjakana malagasy, izay teratany vahiny daholo.
Tsy mora ny fanarenana ! Mahatratra 1 400 miliara Ar ny fatiantoky ny Jirama. Araka ny toro-mariky ny Banky Iraisam-pirenena, tsy maintsy atao ny fiantsoana eto an-toerana sy iraisam-pirenena, hitady izay olona hitantana hanarina ity orinasam-panjakana ity. Nilaza ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa Soloniaina, ny alakamisy 20 jolay teo, fa roa sisa ny kandidà voasivana tamin’ireo am-polony, ka ny fitondrana foibe no hisafidy ny iray farany. Teratany vahiny daholo izy roa ireo, fa tsy nisy malagasy. « Amiko manokana, tena olona manana fijery tia manao fanamby ireo kandidà ireo. Tsy voatery mahafehy ny herinaratra, fa kosa manana traikefa amin’ny lafiny fanarenana orinasa. Sady manana fahalalana mikasika an’i Madagasikara », hoy ihany izy.
Tomponandraikitra anatiny
Manampy ireo, nambaran’ny minisitra Andriamanampisoa Solo, fa anisan’ny paikady noraisina ao amin’ny Jirama, ny fanoloana misesy ny tomponandraikitra ambony. Raha ny tokony ho izy, miova isam-bolana, na isaka ny roa volana izy ireny. Ny tale janeraly vonjimaika, ohatra, nanomboka ny desambra 2022. Toraka izany koa ny tale mpandrindra ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), sy ny tale ara-barotra, izay vao nosoloina ny alarobia 19 jolay teo.
Ankoatra izany, anisan’ny fanarenana ny Jirama koa ny fitantanana ara-teknika. Tsapa fa misy very ny herinaratra any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Raha ny fenitra iraisam-pirenena, manodidina ny 75 hatramin’ny 85% ny herinjiro voasanda voasoratra anaty faktiora. Tsikaritra anefa fa 55% ihany no voasanda any amin’ny faktiora, izany hoe very na misy mangalatra ny 45%. Vahaolana raisina ny handefasana kaontera “pré-payé” any an-toerana.
Njaka Andriantefiarinesy