Fitohizan’ny fiaraha-miasan’ny fiangonana sy ny fanjakana. Nanolotra fanampiana amin’ny fananganana na fanavaozana tranom-piangonana hatrany ny filoha Rajoelina Andry. Namoaka ny ampahan’ny tatitra momba izany ny sampan-draharaha misahana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana amin’ny ara-pinoana (DRCC) eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, afakomaly.
Anisan’ny nisitraka izany ny fiangonana vaovao na nohatsaraina izany ny fiangonana katolika “Ecar district Missionnaire” any Itasy sy ny FLM any Benivary Antsirabe. Teo koa ny avy amin’ny FJKM Ankariera Taolagnaro sy ny Toby Famonjena Anglikana Ampasimanjeva. Manampy izany ny Paroasy “Sacré-cœur de Jésus“, Ambohimitsimbina. Samy nitondran’ny filoha anjara biriky avokoa ny fanorenana natao tamin’ireo fiangonana ireo ary tsy nanavahana finoana. “Tsy mitsahatra mikatsaka ny hampandrosoana ny firenena ny filoha Rajoelina Andry“, hoy ny tatitra, ao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny fiadidiana ny Repoblika.
Synèse R.