Anisan’ny singa iray andrefesana ny fampandrosoana ny herinaratra misy eo amin’ny firenena iray. Eto Madagasikara, mbola ny herinaratra mandeha amin’ny solika mavesatra ny 60 %.
Hatramin’izay, ny tinady amin’ny herinaratra no betsaka no ho ny tolotra eto Madagasikara, indrindra fa any ambanivohitra. Vahaolana, ny famokarana angovo azo havaozina, saingy mbola ambany loatra. 15% amin’ny vahoaka 25 tapitrisa no mahazo herinaratra. Nihena izany tato anatin’ny roa taona noho ny fahatapahan’ny jiro matetika. Tsy mifandray amin’ny tambajotra tokana ny mponina 15 tapitrisa, tsy mampiakatra ny fari-piainana no sakana goavana amin’ny fampandrosoana eo amin’ny lafiny toekarena. Ambany ny tahan’ny fanjifana herinaratra eto Madagasikara sady lafo indrindra aty Afrika.
Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny maro izany, izay voatery mbola miaina amin’ny solika, kitay ary labozia. Noho ny tsy fisian’ny herinaratra, mbola mampiasa saribao ihany koa, anton’ny faharavan’ny ala sy miteraka fahavoazana amin’ny fahasalamana. Miha lafo ny angovo avy amin’ny hazo sy ny solika, sy ny kojakoja samihafa. Simba ihany koa ny tontolo iainana, maloto ny rivotra ary lafo ny saran’ny fitsaboana. Fiantraikany ratsy hafa, tsy ahafahan’ny mpiasa tena miasa, tsy ahafahana manatsara ny fanabeazana sy ny fitsaboana.
1,6 % ny herinaratra miasa eo amin’io sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, raha ny tarehimarika tamin’ny 2020. Toy ny milina fitotoam-bary sy ireo manazava sy manafàna ny trano fiompiana. Tamin’ny faha-15 taonan’ny Agence de Développement de l’Electrification Rurale (ADER), nanao tetikasa hampitomboana ny herinaratra any ambanivohitra izy ireo, ny volana jona 2019. Nanamafy izany, ny minisitera misahana ny angovo, mba hampitombo izany ho 30 % amin’izao 2023 izao. Azo ampitomboana avo efatra heny ny fanjifana angovo azo havaozina mialohan’ny 2030. Ankehitriny, mbola miankina amin’ny fanjifana angovo azo avy amin’ny solika sy hazo. Ny endriky ny fanjifana ankehitriny dia manapotika ny tontolo iainana. Mila manana politika matanjaka sy maharitra hanarona ny filan’ny vahoaka ny fanjakana, ao anatin’ny sarany zakan’ny rehetra sy azo antoka ny fiarovana azy. Politika momba ny angovo misintona ny rehetra hahatojo ny tanjona. Ny tanjona sy ny fitaovana mifandraika amin’izany dia ao anatin’ny laharam-pahamehana faritan’ny kaominina isanisany. Tanjona, ny hanaja ny tontolo iainana, toekarena sy sosialy. Miankina betsaka amin’ny fanjifana ny fisondrotry ny toekarena. Tsy maintsy zahana akaiky ny filana eo amin’ny angovo sy ny fitandrovana ny tontolo iainana.
Azo trandrahina ny angovo azo havaozina
Ampahany eto amin’ny firenena no voavatsy herinaratra, tokantrano maro tsy mahazo jiro. Amin’ny ankapobeny, latsaky ny 70 Kwh isaky ny mponina isan-taona no lany. Hampitomboana ho 70 % izany alohan’ny 2030, raha ny vinan’ny fanjakana. Tsy maintsy manana foibe famokarana 900 hatramin’ny 1 755 MW vao tratra izany. Olana hafa ny famatsiana rano, izay miankina amin’ny toetr’andro sy toe-tany ary ny fitaovana ho an’izany. Sarotra ho an’ny mpandraharaha maro ny mampiasa vola, ho an’ny herinaratra azo havaozina, ahitana karazany betsaka azo trandrahina izany. Eto Antananarivo, tsy latsaky ny 35 MW ny avy amin’ny rano sy masoandro. Any amin’ny faritany, manome herinaratra 50 MW ny masoandro, saingy tsy vitan’ny fanjakana. Ny Vondrona Filatex no miezaka mitrandraka izany any amin’ny faritra sasany fa ny Jirama tsy azo antenaina. Na izany aza, azo lazaina fa mandeha miadana ny fitrandrahana angovo azo havaozina eto amintsika.
Araka ny lalàna, mahazo mitrandraka angovo ny sehatra tsy miankina eto amin’ny firenena. Misy amin’ny orinasa sasany mifanaraka amin’ny Jirama, orinasam-panjakana, mpamatsy jiro sy rano. Misy sehatra tsy miankina no mpaninjara mivantana manao ny asan’ny Jirama. Misy olana isan-karazany anefa izany ankehitriny. Orinasa tsy miankina 30 nomen-dalana mitrandraka angovo, tsy betsaka. Mampiasa milina mandeha amin’ny solika na mitrandraka herinaratra avy amin’ny rano na masoandro, manodidina 40 KW hatramin’ny 200 KW, izy ireny.