FIZATO: nampihaona ny  mpanao politika

Ambohi-pihaonan’ny mpanao politika zanaky ny faritanin’i Toamasina, ahitana ny faritra telo, Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Analanjirofo ny teny Ivato, ny alahady teo. Fivoriambe notarihin’ny mpitarika ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’ i Toamasina (Fizato). Naneho ny maharary azy ireo solontenan’ny mpiasa miisa 106 eo anivon’ny oniversiten’ i Barikadimy. “Efa ho 20 volana mahery izahay izao tsy nandray karama nefa fanambin’ny filohan’ny oniversite izany fony izy nanao fampielezan-kevitra“, hoy izy ireo.

Ankoatra izany, anisan’ny natsidiky minisitra, Ratsiraka Sophie, ny momba ny tamberin’ andraikitra avy amin’ny tetikasa Ambatovy. “Tokony hisitraka izany any anatin’ny kitapom-bolany ireo kaominina. Ilaina ny fahaiza-mitantan’ireo ben’ny Tanàna anefa izany mba tsy hidiran’izy ireo any am-ponja“, hoy izy.

Feno hipoka ny kianja

Na izany aza, nitovy fijery ireo mpanao politika samihafa firehana ny amin’ny hampivoarana ny faritanin’i Toamasina sy hitondrana fampandrosoana ny firenena ary hitsinjovana ny ho avin’ny taranaka. Anisan’ny niatrika izany koa ny avy amin’ny “Asociation d’originaire province de Toamasina-Adop“. Nambaran’izy ireo ny fomba fiasa vaovao amin’ny fampiofanana arakasa ny tanora mifandraika amin’ny filan’ny orinasa any an-toerana ka hanombohana izany ny orinasa ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Hitohy amin’ny orinasa hafa izany.

Tsiahivina fa nanafana izao hetsika sy fihaonana izao ireo mpanakanto avy amin’ireo faritra telo. Teo koa ny omby miisa telo natao ho nofon-kena mitam-pihavanana ka nahafeno hipoka ny kianja teny an-toerana.

Sajo

Partager sur: