Esum sy ny Nim: manohana ny tanora te hanohy fianarana

Natao sonia, ny herinandro teo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny sekoly ambony tsy miankina Esum etsy Andavamamba sy ny banky “Nouvelle institution de microfinance – Nim”. Miompana aamin’ny fanampiana ireo mpianatra sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mbola te hanohy fianarana amin’ny ambaratonga ambony nefa tsy afaka manao izany intsony izao fiaraha-miasa izao. Anton’izany ny tsy fahampiana eo amin’ny hoenti-manana, araka ny fanazavana. Anisan’ny endrika isehoan’izany ny fanomezana tolotra ireo mpianatra sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny fahafahana mindram-bola amin’ny alalan’ireo famatsiam-bola madinika. Natokana amin’ny filana eo amin’ny fianaran’ny mpianatra izany, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra hatrany. Eo, ohatra, ny momba ny saram-pianarana sy ny manodidina izany ka alaina ao amin’ny Nim. “Azo aloha tsikelikely izany mba ho anjara biriky entin’ny roa tonta hanalana olana ireo mpianatra sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra”, hoy izy ireo. Nifanakalozana hevitra sy nampahafantarina koa ny lanjan’ny fampianarana ambony eto amintsika. Singa iray hahafahana mampandroso ny firenena izany.  Anisan’ireo sekoly manasongadina ny sehatry ny teknolojia ny sekoly ary isan’ny manaporofo izany ny fiaraha-miombon’antokany amin’ny « Centre d’etude Franco-Americain de management – CEFAM”  any Lyon, Frantsa.

Synèse R.

Partager sur: