Fandaharanasa Fihariana: miisa 187.000 ny asa niforona

Anisan’ny vahaolana amin’ny tsy fisian’ny asa ny fandaharanasa Fihariana, napetraky ny fanjakana, nanomboka ny taona 2019. Misandrahaka amin’ny sehatra maro ireo mpandraharaha madinika nisitraka azy, ary voalohany amin’izany ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.

Natsangan’ny filoha Rajoelina, ny taona 2019, entina hanohanana ara-bola sy ara-teknika ny olon-tsotra matotra te handraharaha sy ho lasa matihanina ny Fandaharanasa Fihariana. Nambaran’ny Tonia mpanatanteraka, Rtoa Zafindravaka Valérie, fa nahafa-po ny vokatra azo tao anatin’izay telo taona mahery izay. Nahatratra 19.967 ny nisitraka ny tohana ara-bola sy ara-teknika, manerana ny distrika 109 amin’ny 119 misy eto Madagasikara. Tanjona amin’ny ho avy ny mahenika ny distrika manontolo.

Tamin’ireo nahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa ireo, niisa 187.000 ny asa mivantana sy ankolaka naterany. Isan’ny tena be mpanao ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Tafiditra ao anatin’ireo ny mpamokatra sakafo tena ilaina andavanandro, toy ny vary, ny voanjo hahodina ho menaka, ny fary havadika ho siramamy, ny ronono, sns.

Misy tanjona mazava napetraka isaky ny lalam- pihariana, ka isan’izany ny “fahavitan-tena ara-tsakafo” araka ny velirano faha 9, sy ny faha 6 “asa mendrika ho an’ny rehetra”. Ho an’ny lafiny famokaram-bary, ohatra, natao ny tolotra ara-bola “Voka-bary”, hampindramam-bola ny mpandraharaha sy ny kaoperativa hampiakatra ny vokatra hatrany amin’ny 7t/ha. Nomena vahana ny faritra tena mpamokatra, toy ny any Alaotra Mangoro, Atsinanana, Analamanga, Betsiboka, Boeny, Menabe, Sofia, Vakinankaratra, Atsimo Andrefana, Ihorombe, Amoron’i Mania, Melaky, Itasy, sns. Eo koa anefa ireo orinasa misehatra amin’izany.

Ho an’ny mpandraharaha, ny indostria,…

Isan’ny tena notohanan’ny Fihariana ho an’ny mpandraharaha sy ny orinasa ny hamatsiana ny filana eto an-toerana, toy ny lalam-pihariana voanjo hamokarana menaka, ny ronono sy ny vokatra azo avy aminy. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa Fanoro by Fihariana, hanatsarana ny lalam-pihariana ombivavy beronono. Ho an’ny lalampihariana fary, napetraka ny orinasa mpamokatra siramamy any Vatomandry sy Morondava, ka nanombohana azy ny fanohanana ara-bola ireo mpamboly fary.

Manampy ireo ny lalam-pihariana katsaka, ao anatin’ny velirano 7, “fampiroboroboana ny indostria”. Notohanana ny orinasa Sahanala, izay anisan’ny mamatsy katsaka ny orinasa Star.

Nohamafisin-dRtoa Z afindravaka Valérie, fa mitohy hatrany ny fandraisan’ny Fihariana ny fangatahan’ireo maniry hotohanana ara-bola. Manodidina ny 72 ora ny fandiniahana ny antontan-taratasin’ireo mpangataka.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: