Nahomby ny vokatry ny tetikasa andrana amin’ny faritra telo : Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Itasy amin’ny Sehatrasa hanatsarana ny antoka ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafon’ny zaza amam-behivavy (Sahaza).
Nanomboka ny taona 2019 ary hifarana ny marsa 2024 ny sahanasa atao iarahan’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana japoney (JICA) manatanteraka. Tetikasa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ary mpiray ombon’antoka ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN) sy ny minisitera telo : Fahasalamana, Fambolena ary ny Rano. Ao anatin’ny dingana fahatelo famaranana ny andiany voalohany izao. Asa efatra lehibe no sahanina amin’ny fokontany 60 iasana : fidiovana sy fahazoana rano madio, famokarana, fanjarian-tsakafo ary ny fikarakarana ny reny sy ny zaza amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny tetikasa, Andrianirina Armand Dieudonné, omaly, teny Anosy. Manana anjara andraikitra lehibe ny minisiteran’ny Fambolena amin’ny paikady ho fanatsarana ny fanjarian-tsakafo. Ampianarina mamboly ireo karazana voly mitondra otrikaina tena ilain’ny vatana ireo mpisitraka ny tetikasa. Anatin’ny fokontany iray, manodidina ny 30 ireo mpisitraka.
Araka ny valin’ny fanadihadiana amin’ny antsasa-dalana natao, teo anelanelan’ny taona 2021-2023, nitombo ho 60% ny isan’ny tokantrano nanaovana fanadihadiana mihinana ny vokatra (voamaina manankarena proteina) avy amin’ny fambolena izay vokarin’izy ireo, raha 39% izany ny taona 2021.
Nanohana ny lafiny teknika sy ara-bola ny tetikasa ny JICA. Amin’ny fanjarian-tsakafo sy ny fahasalamana ary ny fambolena miaraka amin’ny fifehezana ny fandrindrana ny asa rehetra natao, hoy ny solontenan’ny JICA eto amintsika, Tanaka Taori. Efa nahazo ny fankatoavan’ny fanjakana japoney ny JICA amin’ny fanohanana ny andiany faharoa amin’ny Sahaza.
Vonjy