Tontolo iainana : asa mahavelona ny fambolena zanakazo

Miroborobo ary ahitana toerana fikarakarana zanakazo avokoa ny faritra sy ny toerana maro eto Madagasikara. Anatin’ny fotoana famafazana tanteraka ny mpa­nao izany, amin’izao fotoana izao.

“Mahavelona tsara ny asa fambolena za­nakazo raha ma­nao tsara ny asany ireo mpisehatra amin’izany ary tsy misy ny hala tahaka ataon’ny sasany”, hoy ny mpitam-bo­lan’ny koperativa fanoitra, Elisanne, raha nanontaniana. “Olana eo amin’ny tontolon’ny fambolena zanakazo sy voninkazo, ny hala tahaka ataon’
ireo mpamboly sasany”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa manimba ny asa fambolena izany satria misy amin’ireo mpivarotra sasany no mana­tsatoka hazo tsy misy fakany anaty “sachet”. Nohamafisiny fa tokony hojerena sy hahay hamantatra ny tena matihanina amin’ny fanaovana ny asa fambolena zanakazo ny olona liana amin’izany.
Ahitana izany betsaka indrindra eto Antananarivo, Fianarantsoa ary any amin’ny faritra Avaratra, raha ny fanazavana. Ireo orinasa lehibe, sekoly, fikambanana no tena manao izany. Maro ny fambolen-kazo eto Madagasikara fa tsy misy vokatra satria tsy manara-maso ny ankamaroan’ny mpamboly. Nilaza ny teo anivon’ny koperativa fa tsy maintsy araha-maso ny fambolena ny hazo iray raha tiana ny hahazo vokatra, fa tsy avela any fotsiny, izay mbola olana ho an’ny rehetra.
Anisan’ny mivelona amin’ny famokarana zanakazo ny eny Ampilanona Ambalavao Ambatofotsy, ao amin’ny ko­perativa Fanoitra. Orinasa mpamokatra zavamaniry ta­nora, manampy azy hivoatra mialohan’ny fotoana hamarotana azy izy ireo. Faritra mpamokatra zanakazo voalohany indrindra ny any Ambatofotsy. Efa mivelona amin’ny fanaovana izany avokoa ny mponina any. Ahitana hazo gasy, hazo ala, voninkazo, voankazo, fefy kely (bordure), palissandre ary bois de rose izany. Tsy mampiasa zezika simika fa mampiasa zezi-pahitra na zezika biolojika izy ireo amin’izany. Antony, ny fikolokoloana ny tany mba haharitra aman-taonany maro sy hahafahan’ny voly mitsiry araka ny tokony ho izy, raha ny fanazavana. Miara-miasa amin’ny injeniera, teknisiana ihany koa izy ireo amin’ny fikolokoloana sy fanaraha-maso ny voly. Ni­tsangana ara-panjakana na­nomboka ny taona 2006 izy ireo. 9 mianadahy mianaka izy ireo mikambana ao anatin’ny orinasa hatramin’izay nisiany.

Dingana arahina
Mandalo dingana maro ny fikarakarana ny zanakazo. Amin’ny ankapobeny, alaina ny masomboly na ny voan’ny hazo. Afafy amin’ny tany ma­lalaka ny voly avy eo. Kara­karaina ny zanakazo mandritra ny fitomboany sy mandra-pahatongan’ny fahamatorany ary afindra anaty sachet avy eo ny zavamaniry. Amin’ny fambolena azy indray, mandavaka, manatsatoka ny zanakazo, manototra sy manisy bozaka. Mahatratra 80 cm midina ny halalin’ny lavaka ho an’ny hazo. 1 Metatra midina kosa izany ho an’ny voankazo. Araha-maso matetika izany avy eo. Mba tsy hamparefo ny vokatra.

Asa mila faharetana

Mitaky faharetana, fahalalana, fitiavana ary fitandremana be ny asan’ny mpikaraka sy mpamboly zanakazo. Ahitana saha na sombin-tany manankarena mineraly sy voakarakara ary salama tsara ny toerana hamafazana ny voly. Mila fikojakojana sy fikarakarana manokana ireo zanakazo. Ambolena amin’ny faritra azon’ny masoandro, tsy be rivotra na mando loatra ary hambolena amin’ny tany lonaka sy be rano ny zanakazo sy zava-maniry tanora amin’ny ankapobeny. Mampiasa teknika sy tondrahana ary kojakojaina fatratra izy ireo. Tsy maintsy fantarina ny maripana tsara indrindra ho an’ny zava-maniry tsirairay, ny haavon’ny hamandoana ilaina, ny lojika amin’ny fitomboany, ny filany rano, ny tara-masoandro, ny fivoaran’ny fakany, ny kalitaon’ny sakafon’ny tany, sns. Tsy maintsy miantoka ny fahasalaman’ny zava-maniry manomboka amin’ny voalohany hatramin’ny farany ny fifehezana ireo rehetra ireo. Afafy ny voly ary atao grefy ny hazo sasany amin’ny fotoan’ny ririnina toy izao. Matory ny hazo amin’io fotoana io ka andro mety tsara amin’ny fanaovana izany. Mamboly sy manatsatoka kosa rehefa amin’ny volana septambra sy oktobra ary novambra.
Liana amin’ny fanjifana zanakazo avokoa ny olon-drehetra. Ho an’ny vehivavy, mahasarika azy ireo ny voninkazo. “Atao haingon-trano sy haingon-tanana izany amin’ny ankapobeny ka antony mahasarika ahy hividy”, hoy i Larissa. Nilaza izy fa manome endrika be ny toerana honenana ka mahatonga ny olona monina eo ho tamana tsara ny fisian’izany. Mividy karazana voninkazo indroa isam-bolana izy ary mahavatra mandany vola amin’izany mihitsy, raha ny fanazavana. Ho an’ny lehilahy kosa, mahasarika azy ireo ny fambolena voankazo sy ny hazo fampiasa andavanandro (kesika sy kininina…).

Nanatontosa : Mino
Sary : Mamiherison

Partager sur: