Singa iray anisan’ny mamotika ny nofontany ny fako plastika. Sakana amin’ny famokarana izy noho ireo akora misy poizina mandrafitra azy. “Mihena tsikelikely ny tahan’ny fambolena ary tonga hatramin’ny tsy famokaran’ny tany intsony ny fiparitahan’ny fako plastika”, hoy ny fanazavan’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, Dr Salama Jean Claude, nandritra ny hetsika “Le rendez-vous de REMAPSEN”, ny zoma teo. Notohizany fa miantraika betsaka eo amin’ny toekarena io tranga io. Tsy hisy intsony ny vokatra sy sakafo ho an’ny olombelona. Ho simba ny tontolo iainana ary hiteraka aretina ho an’ny zava-manaina sy ny toe-pahasalaman’ny rehetra ny fako plastika. Notsindriany fa anisan’ny mamotika ny sosona ozonina sy mampiroborobo ny famokarana ny entona karbona izany.
Mitombo
Vinavinaina hitombo avo telo heny ny habetsaky ny fako afaka 20 taona, antony indrindra mahatonga ny fitadiavam-bahaolana haingana. Samy mahatsapa ny rehetra fa tsy mitsahatry ny mitombo ny fako ary mbola ambany ny tahan’ny fikirakirana azy ireny. Hita eny an-dranomasina ihany koa ny 73%-n’ny fako plastika, ny olona iray kosa mamokatra fako manodidina 400g isan’andro. Betsaka ny fanamby hapetraka hampihenana ny fako plastika. Mila ahena ny entana afarana sy ny fampiasana ny akora plastika. Eo koa ny fambolena bararata izay anisan’ny azo ahodina sy ampiasaina andavanandro. Tsiahivina fa lohahevitra noresahina nandritra ny hetsika ny “fahalotoan’ny tontolo iainana: ireo fanamby sy olana mikasika ny fitantanana ny fako plastika eto Madagasikara”.
Henintsoa H.