Mitana ny sain’ny maro hatramin’izao ny fifaninanana iraisam-pirenena ka manasongadina ny Malagasy. Mahavelombolo ery ny mahita ny ezaka vitan’ny tanora. Mahavariana anefa, misy foana ny volo mpanoha randrana. Raha misy ny fahombiazana, tsy miala lavitra eo ny mpanatsatso. Rehefa tsy sakaizan’ny mpandresy dia ory hava-manana ny olona sasany. Inona no ilazana izany fa tsy ireto vondron’olona mitady hirika hifaminganana sy hifanomezan-tsiny lava ireto.
Misy dia “halako bika tsy tiako tarehy” tsotra izao. Mitady ny fomba hamelezana sy hamotehana ny hafa. Tranga niely tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny horonantsary iray nataon’ny vehivavy malagasy mpilalao basikety. Nilaza fa maty noana sy zara fa manana trano fonenana izy ireo. Tsy ilay horonantsary no hivalamparana fa ny nivoizana sy namadihana ny resaka ho enti-manaratsy endrika ny samy Malagasy.
Inona no tian-kambara anio ? Tokony mahatonga saina ny tsirairay ny fisian’ny trangan-javatra tahaka ireny. Saropady, mety handrehitra misimisy kokoa ny
afon’ny fifankahalan’ny mpiray tanindrazana. Tsy misy manana tombontsoa amin’ny fifandranitana. Iaraha-miaina fa anatin’ny vanim-potoana mamparefo ny fihavanana malagasy izao. Ambony be ny taha mety hampipoaka ny krizy amin’ny endriny samihafa. Ahina ny hifamonoan’ny samy Malagasy.
Tsy mendrika korontana intsony ny vahoaka izay miandry fifidianana dia miandrandra mpitondra afaka mijery manokana ny sosialiny. Marina fa mety hoentanin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny firaisam-po amin’ny sokajin’olona marefo na lasibatra ireny endri-panontsanana ireny, kanefa tokony ho jerena ihany koa ny tombontsoan’ny besinimaro. Koa asakasak’izay mitady fomba hampisaraham-bazana ny Malagasy izany. Eo ny tantara…hitsara
r.r