Manodidina ny 300 – 400 grama isan’olona, isan’andro ny fako plastika miparitaka eny rehetra eny raha ho an’ ny eto Madagasikara. Efa maro ireo olona sy orinasa manodina ireny fako ireny ho lasa akora azo havaozina amin’ny endrika samihafa.
“Mbola sarotra ny hanafoana ny fampiasana plastika eto Madagasikara”, hoy ny solontenan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Salama Jean Claude, teny Ambatobe, ny zoma lasa teo. Nilaza izy fa azo atao tsara ny mampihena sy manodina izany ho fitaovana azo ampiasaina indray, amin’ny alalan’ny fitantanana ny fako sy ny fananganana fotodrafitrasa mifandraika amin’izany. Efa maro ireo orinasa manodina ny fako plastika raha eto amin’ny Nosy. «Efa tandindomin-doza ny fahasalamana, raha tsy hijery afa-tsy ny fofona ratsy “gaz carbonique” sy aretin’ny taovam-pisefoana, ny olan’ny fo sy lalandra, aretim-pivalanana, homamiadana, rarintsaina,…”, hoy ny ny solontenan’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Ramambason Haingotiana Rakoto.
Anisan’ny orinasa manodina ny fako sy potika plastika antsoina hoe: «Fibre polypropilène blanche», ny OLi kidoro etsy By-pass. «Niasa sy nivarotra kojakojana informatika sy solosaina ny asako fa nitsahatra izany noho ny fisian’ny valanaretina ka antony nanaovako ny asa”, hoy Ranaivoson Nirina, Filoha mpanorina sy tompon’ny orinasa OLi kidoro, raha nanontaniana teny By-pass, omaly. Nanomboka nikaroka izy teo satria tsy nisy ny asa ka tsy maintsy namorona zavatra azo atao. Niainga tamin’ny fanjairana ondana kely, sy rideau ary lambam-pandriana izy tamin’izany. “Nisy karana iray taty aoriana, nampanamboatra ahy kidoro iray ho an’ny rainy marary eo am-pandriana”, hoy izy nitantara. Tsy mety aminy ny fandriana “éponge” ka nikaomandy kidoro amin’ny sisika hafa izy. Nilaza ho afa-po sy nanala ny aretin-damosina nahazo ny rainy ilay olona afaka fotoana vitsy taty aoriana ary nanomboka teo ny asa. Tsy sahy nivarotra ny vokatra tamin’ny voalohany satria natahotra tamin’ny vokatra vita sao tsy ahafa-po ny mpanjifa. Noezahina nohatsaraina hatrany anefa ny asa, mba tsy ho mafy na halemy loatra. Tsy sarotra ny fitadiavana ny akora fototra tamin’ny voalohany. Efa niakatra ny vidin’ny akora taty aoriana satria lasa be mpitady io akora ampiasaina io.
Tsara ho an’ny olona marary lamosina
Ankoatra ny sisika ampiasain’izy ireo amin’ny asa famokarana. Mampiasa lamba cotton, lain, viscose, velour… arakaraky ny tian’ny mpanjifa ihany koa izy ireo. Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny vokatra vokarin’izy ireo. Anisan’izany, ny fitsinjovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanodinana ny fako sy potika plastika. Manampy ny olona hanana fahasalamana, indrindra ho an’ireo olona marary lamosina. Miavaka ny vokatra vokarin’izy ireo amin’ny ankapobeny satria izy tsy mataho-drano.
Maro ny voka-dratsin’ny plastika
Maro karazana ny plastika, nanomboka ny taonjato faharoapolo. Anisan’izany, ny polyéthylène téréphtalate (PET), ny polyéthylène haute densité (PEHD), ny polychlorure de vinyle (PVC), ny polyéthylène basse densité (LDPE), ny polypropylène (PP), ny polystyrène (PS)… Mahatratra 300 – 400 grama isan’olona, isan’andro ny fako plastika aparitany eny rehetra eny, raha ho an’ny eto Madagasikara manokana. Miteraka voka-dratsy maro isan-karazany izany, toy ny fahasimban’ny nofontany, mamono ny zava-mananaina madinika mahalonaka ny tany. Ankoatra izay, mandoto ny rivotra iainana sy ny rano ary ny ranomasina ihany koa. “Tsara ny fahaizana manodina ny fako mba hialana amin’
ireo karazana olana ireo“, hoy hatrany Ranaivoson Nirina. Miara-miasa amin’ireo orinasa sy ozinina lehibe eto Antananarivo izy ireo amin’ny fakana ny akora fototra ampiasaina. “Zavatra manan-danja ho an’ny Malagasy ny kidoro satria ahazoana fahasoavana sy ahitana ny fahoriana ihany koa ka tsy tokony atao ambanin-javatra”, hoy hatrany izy.
Mila fikirizana, mahay manjaitra, mila malina ihany koa ny fanaovana ny asa. Sesefana sisika ny kidoro, zairina ambony sy ambany ary zairina indray ny eo afovoany hanomezana endrika ny vokatra. Maro ny mpanjifa ny vokatra amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Ankoatry ny eto an-drenivohitra, Ambatolampy, Antsirabe, Fianarantsoa, ny fianakaviana no tena manjifa ny vokatra amin’ny ankapobeny. Maharitra hatramin’ny 3 taona eo ny faharetan’ny kidoro vitan’izy ireo.
Nanatontosa : Mino
Sary : Mamiherison