Nitondra ny heviny manoloana ny tsikera amin’ny fahavitsian’ireo namany tonga miatrika fivoriana ny depiote i Keron Idealson. Eo koa ny fijeriny ny momba ireo fanambaran’ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena sasany.
“Anjara asan’ny Antenimierampirenena ny manara-maso ny asan’ny governemanta. Olona 151 manara-maso, tsy mitovy amin’ny olona folo manara-maso. Izany no endrika sakana amin’ny asan’ny andrimpanjakana. Lasa tsy mahatontosa ny andraikitra ankinina aminy ny Antenimierampirenena”, hoy ny mpahay lalàna sady depiote voafidy tany Ampanihy Andrefana, i Keron Idealson, momba ny tsy fahatongavan’ny depiote mivory amin’izao fotoana izao.
Eo izao ny amin’ireo antontan-taratasy fanenjehana eny amin’ny Fitsarana avo (HCJ). Inona no mampikatso izany? Tsy feno hatrany ny fetr’isa ilaina amin’ny fifidianana hoe tokony hoenjehina sa tsia ny tomponandraiki-panjakana? Tokony hotsaroan’ny besinimaro: milaza ny lalàna fa tsy azo atao ny manao heloka momba ny fitsarana, mitsara na misakantsakana ny fandehanan’ny fitsarana. Noho ny andraikitry ny depiote, manana anjara asa amin’ny HCJ izy. Raha voamarina ny depiote fa te hisakana ny fitsarana an’ireo tomponandraiki-panjakana taloha, azo enjehina amin’izay heloka momba ny fitsarana izay raha ny lalàna no jerena.
Tsy ny firaisamonina sivily no napetraky ny vahoaka hifidy lalàna
Ny mahagaga: maninona ny firaisamonina sivily sasantsasany no miditra lalina ka tonga hatramin’ny hoe: tsy tokony ho io ny lalàna tena izy. “Ny Antenimierampirenena no mifidy lalàna eto amin’ny firenena”, hoy izy momba ny fisian’ny firaisamonina sivily mitsaratsara lalàna. Na mahay toy inona aza ny mpikamban’ny firaisamonina sivily, tsy hahasolo toerana ny andrimpanjakana mpanao lalàna.
Vatsiana firenena vahiny vola ny ankamaroan’izy ireo. Toy ny hoe ny fenitra sy ny torolalana tian’ireo firenena mpamatsy vola na mpiara-miombon’antoka mampiasa an-dry zareo no tiana hatao amboletra. Manana ny fiandrianany i Madagasikara, manana ny mpifidy ny lalàna, manana ny tomponandraikitra mahefa rehetra. Tsy lavina ny mpiara-miombon’antoka, fa aoka tsy handidy sy hisolo toerana ny andrimpanjakana ka hilaza hoe izao na izatsy no mety. Tsy mety ny hibaiko hoe izao no lalàna tokony ho izy, satria tsy ny firaisamonina sivily no napetraky ny vahoaka hifidy lalàna. Toy ny fanimbazimbana ny andrimpanjakana sy ny fitondrana manana ny fiandrianany izany.
R.Nd.