Hanamboarana gony sy fitafy ny vokatra vita amin’ny taretra hatramin’izay. Efa maro ireo olona mamokatra izany amin’ny endriny maro toy ny haingon-trano maro samihafa.
Madinika tokoa nefa tena ilaina eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona ny taretra. Azo hanamboarana gony, kitapo, lamba fitafy ary zavatra maro samihafa amin’ny endriny isan-karazany izany ankehitriny. Mampiasa taretra maro mandritra izany mba hahavitana asa tanana iray miavaka sy tsara. Ahitana izany maniry avokoa ny ankamaroan’ny faritra eto amin’ny Nosy. Toy ny any Arivonimamo, Fieferana, Ambohitrimanjaka, Ampangabe, Anjozorobe… Anisan’ny manao izany, ny orinasa kely iray antsoina hoe: “Tapis Sisal décoration” etsy Sabotsy Namehana. Mpanao asa tanana malagasy vita amin’ny taretra manana endrika “tapis” fanao haingon-trano izy ireo amin’ny ankapobeny. Efa 40 taona nanaovana ny asa ary manodidina ny 10 mianadahy mianaka izy ireo no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany ankehitriny. “Tsy nandalo toeram-pianarana goavana fa nampianarin’ny renibe nandritra ny fahazazana”, hoy Rasoarimalala Voahangy Emma, tompony sady mpanorina ny Tapis sisal décoration etsy Sabotsy Namehana. Nilaza izy fa nampianarina azy avokoa ny fanaovana landy sy taretra ary ny fanodinana izany ho lasa endrika hafa. “Mbola vitsy ny mpanao asa tanana nampiasa ny taretra tamin’ny andro fahiny ka antony nisafidianany azy”, hoy hatrany izy. Nanombohany ny asa tanany ny fanaovana sary mampiseho ny fomba malagasy (ombin-tsarety miaraka amin’ny olona telo mianaka izay manaraka izany avy any anaty Rova, mpihiragasy…). Napetraka tamin’ny rindrina avokoa ireo rehetra ireo tamin’izany fotoana izany. Nivoatra tsikeliky izany taty aoriana satria tsy mitsaha-mikaroka ny mpanao asa tanana ka nahazoana “tapis” fanao haingon-trano ihany koa. “Mahavariana sy mahasarika ahy ny vokatra sy asa tanana vita malagasy toy izao satria tsy fahita andavanandro ary manome endrika tanteraka ny trano”, hoy Rasoamamitiana Marie Olga, mpanjifa ny vokatra.
Ilana fahaizana sy fitiavana
Miavaka sy tsara ny vokatra rehefa manao ny asany tsara ny mpanao asa tanana. Takina amin’ireo misehatra amin’ny asa ny fahaizana manao sary, mandrafitra ny akora ary ny fahaizana mandoko. Ilaina fitiavana sy finiavana ary faharetana amin’ny ankapobeny ihany koa ny asa. Tsy maintsy atao mitovy amin’ ny sary tian’ny mpamorona na tian’ny mpanjifa atao ny taretra iray hanaovana ny asa. Mandalo dingana maro ny fanaovana ny asa. Voalohany, kikikisana ny taretra, alàna ny maitso ary sasana anaty rano dia ahaha amin’ny andro na atao salazana eo ambony kitay mandra-maraina izany. Randranina rehefa maina tsara, atao ny sary, lokoina arakaraky ny sary izany avy eo ary atapy amin’ny maloka. Manomboka arafitra ny boribory tsirairay na arakaraky ny endriky ny kisary ary zairina. Tsy asiana diso sy mibiloka mba hitovy tsara amin’ny
sary.
Asa mahavelona tsara
“Betsaka ny mpaka tahaka amin’ny fanaovana ny asa tanana”, hoy hatrany Rasoarimalala Voahangy Emma, tompony sy mpanorina ny “Tapis sisal décoration”. Mamorona sy mivarotra ary mamono ny tsena izy ireny amin’ ny ankapobeny ka manimba ny mpamokatra sy ny tena matihanina. “Tsy matory indraindray fa variana mikaroka modely hafa mba hanatsarana ny asa”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa tsy mahavita manao izany raha miasa aman’olona sy ny mpaka tahaka fa manao izay tian’ny mpampiasa hatrany. Asa tanamaro ny ahafahana manao haingana ny asa. Ny vanim-potoan’ny maintany (jolay sy Aogositra) sy amin’ny fotoam-pialantsasatra no handehanan’ny tsena amin’ny ankapobeny. Mampiavaka ny asa tanana ataon’izy ireo ny hamafiny sy ny kalitaon’ny vokatra. Ahitana “double face” ny vokatra sasany, izay apetraka sy fanao amin’ny rindrina. Manodidina eo amin’ny 1 sy an-tsasaka santimetatra ny hatevin’ny vokatra tsirairay. Nahitam-pihenana ny fanjifan’ny mpanjifa nanomboka tamin’ny fotoanan’ny valanaretina Covid-19 teto amin’ny firenena. Nihavitsy ireo olona nanafatra ny entana sy vokatra vaovao, raha ny fanazavana. Vahiny no tena mankafy ny vokatra. Efa miha tia sy mankafy ary manjifa koa ny vahoaka malagasy ankehitriny.
Nanatontosa : Mino