Fanatanjahantena sy kolontsaina: novelomina sy omena vahana indray ny Doranga

Fanatanjahantena ifangaroan’ny kolontsaina any Atsimo Andrefana ny Doranga. Fifanandrinana nefa mitondra hafatra ho an’ny rehetra.

Novelomin’ny fikambanana Marozatovo, tarihin’i Rhino Soafilira indray ny Doranga, amin’izao fotoana izao, raha efa tany amin’ny fahampanjaka sy hatramin’ny fanjanahantany no nanaovana azy farany. Nambaran’ny mpitarika ny fikambanana fa tena mpiangaly izany ny foko vezo sy ny masikoro. “Fifanan­drinan’ny lehilahy mahery na Andraranga eo anatrehan’ny mpijery ny Doranga. Tsy misy lonilony na maratra aza fa mifamela sy lasa mihavana aza matetika ny mpifanandrina”, hoy izy. Arahin’ny vely amponga sy daba ary fitsofana kiririoka ny ady ary atao isaky ny alahady na koa amin’ny alin’ny volana fenomanana. Natao hampiray sy handalana ny fandeferana izany, araka ny nambarany. Ani­san’ny nanaovana izany lalao izany fahiny ny ao Miary sy Bekoaky. Eo koa ny any Ankoronga sy Amboroneoky sy Antsirasira.
Rava anefa izany rehefa tonga ny mpanjanaka. Nilefa nandositra any anaty ala noho ny fisavana karatra, tsy main­tsy andoavam-bola, ireo tanora.
Novelomina indray izany ny taona 1969, tamin’ny alalan’ny loholona Lazara, ary natao tao Tsimenatse. Na­findra tao Antaninarenina, ny taona 1979, eo amin’ny torapasika Angorombe . Nikisaka tao amin’ny fokontany Anke­trake avy eo.
Tonga teto ilay Afrikanina tatsimo, i Edouard Powé nanaraka sy nisivana ireo Andrarangy mba ho lasa ma­tihanina amin’ny Doranga. Nanoratra boky “Black marchall”, momba izany koa io vahiny io, maneho ny tantara rehetra.
Tsiahivina fa nananganana sainam-pirenena ny lalao mba ho ofisialy tanteraka ary eken’ny rehetra ny filalaovana azy.

Synèse R.

Partager sur: