Kitra – Orange Pro League 2023: nanolotra baolina 175 ny fiadidiana ny Repoblika

Hanomboka amin’ity faran’ny herinandro ity ny fifaninanam-pirenena hiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara “Orange Pro League 2022-2023”, taranja baolina kitra. Nangataka birao hiasany ny Club de football elite de Madagascar (CFEM).

Hotanterahina manomboka anio asabotsy 19 novambra ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra Orange Pro League (OPL), ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Tonga nanolotra baolina 175 ho an’ireo klioba 16 sy ny mpanao gazety ny avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika.

Nitondra fisaorana, ity fanohanana ity, ny filohan’ny Club de football elite de Madagascar (CFEM), Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta). Nohararaotiny ny nangataka hananan’ny CFEM, birao hiasana ao amin’ny kianja Barea Mahamasina ary hanomezana fahalalahana ho an’ny OPL, mampiasa ireo kianja manara-penitra. Eo koa ny hahazoana mampiasa ny “gradin” ho an’ireo fotodrafitrasa hafa toy ny any Manakara, Ambatondrazaka ary Vakinankaratra hampidi-bola hanampiana ny klioba. Nohararaotiny koa ny tokony hanamboarana farany izay haingana ny kianja Rabemananjara ao Mahajanga.

Mangataka ihany koa ny tenany mba hanohanan’ny filoham-pirenena izay ekipa ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny fiatrehana ny fifaninanana afrikanina. Nilaza Ranoromaro Lova Hasinirina, mpitondra tenin’ny filoham-pirenena sady talen’ny serasera ho an’ny daholobe fa hampitaina any amin’ny filoha ny hetahetan’izy ireo.

Mandra-piandry izany, lalao 7 amin’ny 8 ny voalahatra amin’izao andro voalohany izao. Hahemotra amin’ny fotoana manaraka kosa ny lalaon’ny Uscafoot sy ny ASA Diana.

 

Tompondaka

 

 

Fandaharan-dalao kaonferansy atsimo

Asabotsy 19 novambra

Kianja Elgeco Plus Stadium

02 :30 – CFFA vs Mama FC

Kianja Mahitsy

02 :30 – Jet Kintana FC vs Dato FC

Alahady 20 novambra

Kianja Ampasambazaha

02:30 – Zanakala FC vs 3FB Toliara

Kianja Elgeco Plus Stadium

02:30 – Elgeco Plus vs Disciples FC

 

 

 

Fandaharan-dalao kaonferansy avaratra

 

Alahady 20 novambra

Kianja Complexe sportif Vontovorona

02 :30 – Fosa Jr vs AS Fanalamanga

Kianja Barikadimy Toamasina

02 :30 – Tia Kitra vs Tsaramandroso Formation

Kianja Mahitsy

02:30 – Cosfa vs Ajesaia

 

 

 

 

 

Partager sur: