«Mondial 2022”: 27 ireo mpilalao tsy hilalao

Iray andro mialoha ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, tanterahina any Qatar, betsaka ireo firenena sahiran-tsaina noho ireo mpilalao ao aminy tsy afaka hiatrika izany. Ny ratra mahazo azy ireo ny antony. Mahatratra 15 ireo firenena voakasik’izany ary miisa 27 kosa ireo mpilalao tsy afaka ho any Qatar.

Anisan’ny nahoraka tamin’ireny ny nahazo an’ilay Senegaley, i Sadio Mane, kapitenin’ny Lionan’i Teranga. Nodidiana, ny alakamisy lasa teo mantsy ny lohaliny ka tsy afaka ho any Qatar izy.

Raha ho an’ny Les Bleus Frantsa, mahatratra dimy ireo tsy hanao “Mondial” amin’ity. Anisan’ireny i Paul Pogba sy i N’golo Kanté. Izy mirahalahy ireo izay nandrombaka ny “Mondial 2018”. Tsy anisan’ireo mandrafitra ny Seleçao Brezila ihany koa i Coutinho. Mirahalahy kosa ny an’i Alemaina.

 

Tompondaka

 

Ireo mpilalao tsy hiatrika ny “Mondial 2022”

1-Alemaina : Timo Werner, Marco Reus (kitrokely)

2-Angletera : Ben Chilwell (Fe), Reece James (lohalika)

3-Arzantina : Giovani Lo Celso (sandry), Nico Gonzalez (ratra amin’ny hozatra), Joaquim Correa

4-Belzika : Alexis Saelemaekers (lohalika)

5-Brezila : Arthur Melo (kitrokely), Coutinho (sandry)

6-Canada : Maxime Crépeau (fe havanana)

7-Frantsa : N’Golo Kanté (tongotra), Paul Pogba (fe), Mike Maignan (ranjo), Presnel Kimpembe (fe), Christopher Nkunku (lohalika)

8-Japon : Yuta Nakayama (kitrokely)

9-Maraoka : Imran Louza (kitrokely)

10-Pays-Bas : Georginio Wijnaldum (vava ranjo)

11-Polonina : Bartlomiej Dragowski (kitrokely)

12-Portugal : Diogo Jota (kibo-dranjo), Pedro Neto (kitrokely), Ricardo Pereira (kitrokely)

13-Senegal : Bouna Sarr (lohalika), Sadio Mané (lohalika)

14-Soisa : Yvon Mvogo (lohalika)

15-Orogoay : Ronald Araujo (hozatra)

Partager sur: