Fahasalamana: 15 000 ireo olona voan’ny katarakta eto Madagasikara

Maro ireo tonga nizaha sy nitily ny masony teny anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, omaly. Manjavona avokoa ny ankamaroan’ny mason’ izy ireo ka antony nandrisika azy ireo hanatona hi­zaha. Mba hisorohana ny hisian’ny katarakta eo amin’ ny olona iray.

Hanomboka ny 16 hatramin’ny 23 Septambra ho avy izao ny hetsika fandidiana katarakta faobe, andiany faharoa, etsy amin’ny hopitaly CHU Joseph Ravoa­hangy Andrianavalona (CHUJRA) Ampefiloha. Iara­han’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka sy ny ONG Espagnol, antsoina hoe: Elena Barraquer. Maimaim­poana ny hetsika satria iantohan’izy ireo avokoa ny fitao­vana ilaina sy ny lany rehetra mandritra ny fandidiana. Ma­hatratra eo amin’ny 400 ireo olona voan’ny katarakta ezahina hodidiana mandritra izany. Efa nandalo fizahana sy fitiliana maso teo anivon’ny HJRA avokoa izy ireo. Nisy, araka izany, ny hetsika fitiliana faobe sy maimaimpoana, omaly, teny an-toerana. Nian­draiketan’ny sampandraha­raha mpitsabo maso ao anivon’ ny hopitaly. Manodidina ny
15 000 isan-taona ireo olona voan’ny kataraka eto Mada­gasikara, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny OMS (Orga­ni­sation Mondiale de la Santé). Aretina iray vokatry ny fahafotsian’ny anakandriamaso (cristallin) izany. Tsy taza-maso avy ety ivelany izy io fa ao ambadiky ny “marron” kely ao amin’ny maso no misy azy. “Transparent” ny lokony ary tantera-pahazavana tsara toy ny rano mangatsiaka izy io rehefa salama tsara ny zaza iray vao teraka. “Lasa fotsy izy io rehefa voan’ny katarakta ny olona iray, tsy tafiditra ao anaty maso intsony ny tara-pahazavana ka miteraka ny aretina”, hoy ny mpitsabo maso eo anivon’ny Hjra, Dr Rajaona Ranto Andriantsila­vina, raha nanontaniana omaly.

Misy tranga telo

Misy antony maro sami­hafa ny mahatonga ny aretina ary mety ho tratran’izany avokoa ny olon-drehetra manomboka eo amin’ny faha-25 taonany. Betsaka tratra sy voan’ny aretina ireo olon-dehibe ary tena miseho matetika (cataracte sénile). Tonga ho azy izany rehefa tonga ny taona. Antsoina hoe cataracte con­genital ny tranga mahazo ny zaza vao teraka. Misy fahasarotana na misy aretina na misy olana ny reny eo am-piforonan’ny zaza ka mitarika izany. “Mila fandidiana maika io tranga mahazo ny zaza io mba tsy hitarika fahajambana tanteraka ho azy”, hoy hatrany izy. Matetika voadona na voakapoka kosa ny maso ho an’ ny tanora ka mitarika fahafotsian’ny anakandriamaso. An­koatra izay, mora tratran’ny aretina ihany koa ireo karazan’ olona diabetika. Fiantombo­han’ny aretina, ny fisian’ny maso manjavona amin’ny an­kapobeny. Mihamahery vaika izany rehefa miitatra mankany amin’ny katarakta. Ny mpi­tsabo irery ihany no afaka mitily ny maso, amin’ny alalan’ ny fitaovana manokana. “Tsy mbola misy fanafody hohanina, na hatete na ahosotra ao anaty maso, izay mety hanasitranana ny aretina hatramin’ izao. Vahaolana amin’izany, ny fandidiana ho an’ny marary”, hoy hatrany ny mpitsabo.

Aretina saropady

Aretina saropady ny areti-maso ka tsy tokony hangata­han’andro rehefa marary na misy tranga hafahafa. Matetika efa tonga any amin’ny fahasarotana (fahajambana) avokoa ny olona vao tonga manatona mpitsabo. Tranga iray mate­ti-piseho, voakasiky ny laim-bary ny mason’ny olona iray amin’ny fotoana fiavana vary. Toy izany koa ny mpanao
« soudure »… “Voatsabo 100 % izany, raha tsy miandry tara ny fanatonan’izy ireny mpitsabo”, hoy hatrany ny Dr Rajaona Ranto Andriantsilavina. Nilaza izy fa mivadika ho nana ny maso raha vao hiandrasana andro kely fotsiny izany. An­koatra izay, ilana fitsaboana haingana ihany koa ny mason’ ny ankizy mivilana satria aretina tena henjana be ny ao ambadik’izany. Mba hahalalana ny fototr’aretina sy hahafantarana ny fitsaboana mifanaraka amin’izany. Mahatratra eo amin’ny 20 isan’andro eo ny olona raisina maika momba ny maso. Mahavita fandidiana katarakta 1 000 isan-taona eo ny sampandraharaha eo amin’ny hopitaly HJRA, raha ny tatitra voaray.
Mitovy amin’ny fandidiana rehetra ihany ny fandidiana katarakta. Mandaitra sy miverina mahita tsara ny 99%-n’ny olona nodidina. Iray isan-jato no mety ahitana fahasarotana arakaraky ny toe-pahasalaman’ny olona tsirairay. Mampiasa ny anesthésie locale ny hopitaly ao an-toerana ho an’ireo olon-dehibe hiatrika fandidiana.Azo avy amin’ny infection amin’ny otrikaretina hafa izany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: