Mondial 2022: lalao 28 ihany no alefan’ny TVM

Noho ny tolotra omen’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA), voafetra ho 28 ihany ny isan’ireo lalao azon’ny fahitalavitra alefa, izay tsy andoavam-bola, amin’ny «Mondial 2022», tanterahina any Qatar, manomboka rahampitso alahady 20 novambra. Araka izany, 28 ihany izany ny isan’ny fihaonana azon’ny TVM alefa, araka ny nambaran-dRakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, omaly. Tafiditra ao anatin’izany ireo fifanintsanana sasany sy ny dingan’ny famaranana rehetra. Ny fahitalavitra andoavam-bola ihany ny hany mahazo ireo lalao miisa 64. Nohamafisin’ny minisitra fa efa nandoavan’ny fanjakana vola ny fividianana ny zo handefa ny sary. Misy koa ny fandaharana tsy maintsy alefa amin’ny fahitalavi-pirenena na eo aza ny “Mondial».

 

Tompondaka

Partager sur: