Izay voasoratra dia voasoratra ! Fehezanteny manambara ny lanjan’ny soratra amin’izao vanim-potoana izao. Tsy azo hivadihana na hodian-tsy hita, fa manana hery matanjaka hoenti-mifampifehy. Ireo sehatra nampiasana azy rahateo mametraka sahady io lanjany io. Nanoratana ireo didy aman-dalàna ifampifehezana. Tahaka izany ihany koa ny fifanarahana isan-karazany, fifampivarotana, fananganan-jaza, sns.
Na tsy nisy aza ny soratra fahiny, nifampatoky ny Malagasy. Natao am-bava (tadidy vava sy lovantsofina) ny fifanarahana na fifanekena nifanaovan’olon-droa na fianakaviana na ny mpiray vohitra,
na ny isam-bohitra. Nohamafisina tamin’ny alalan’ireo fomba amam-panao samihafa izany ka vao mainka sarotra nivadihana.
Natsangan’ny mpiray tanàna ny vatolahy. Nataony ny fomba. Napetraka ny fifampifehezana ka : «izay mivadika amin’ireo, ho tojo ny loza, ho azon’ny atambo, tsy ho vanon-taranaka» ! Tsy nisy sahy nivadika na ny iray aza. Nilamina ny fiarahamonina. Saika nahitana tahaka io avokoa nanerana an’i Madagasikara fa ny endrika nanatanterahina azy no tsy nitovy noho ny fahasamihafan’ny fomba amam-panao.
… Ilaina ny hamerenana ny fifampitokisana amin’ny alalan’ny fomba amam-panao malagasy. Tsy hain’ny vahiny ireny ka tsy tokony hiandrasana fanampiana avy any aminy.
HaRy Razafindrakoto