32 taona sahady ! manamarika ny tantaram-pirenena malagasy ny andron’ny 10 aogositra. Andro izay niarahan’ny rehetra nahalala fa namadika ny pejin’ny tontolo politika teto Madagasikara. Nanomboka tamin’izany fotoana izany no voalaza ho demokratika ny firenena satria nisy ny onjam-peo tsy miankina voalohany teto amintsika. Nahazo vahana ny filazana fa malalaka ny fanehoan-kevitra sy ny kivorivory ho fanoherana ny tsy rariny.
Nahavelom-panantenana ny rehetra izany saingy mipetraka ankehitriny ny fanontaniana : aiza ho aiza ny toerana misy ny firenena raha miresaka fahalalahana. Toa niverin-dalana tanteraka ! Zary nomena vahana ny hery famoretana toy ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Nataon’ny mpanao politika nahazo seza ho fitaovana, ho entina manao ramatahora ireto farany. Miraviravy tanana, tsy sahy maneho ny heviny ny vahoaka. Miforitra anaty.
Tsy fitia te hanatsatso na fijery miiba hoenti-mandoto ny mpanao politika fa tonga amin’ilay fitenin’ny arabe « biby mi-tourne » ilay Malagasy. Raha mihazakazaka manome vahana ny demokrasia ny firenena mandroso, isika nanadino sahady fa nanana herijika mba nitovizana tamin’izy ireny. Antoka iray, ahafahana mampandroso firenena anefa ny fampivelarana ny endri-pahafahana isan-karazany. Mamokatra kokoa ny vahoaka mahatsapa fa tsy teritery. Manoloana izany, tsy tokony hatao mahakivy ny zava-miseho, ankehitriny. Mbola ambony ny fanantenana ho an’i Madagasikara. Tsy mbola lany tamingana ny tia tanindrazana na taninjanaka. Misy ny tanora manam-piniavana any ambadimbadika any. Misy fotoana ny zava-drehetra. Iaraha-mahita fa mihodina sy miova ny jeopolitika maneran-tany. Tsy ho afa-miala amin’ny tso-drivotra misy Ramalagasy fa tsy maintsy hanaraka ny onjany.
r.r