Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Fidel Razarapiera “Del Kely” tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja – MM” , ny herinandro teo momba ny volavolan’ny tetibola 2023. Anisan’ny nohitritrikihiny ny hoenti-manana amin’ny fifidianana. Natsidiny ny efa fahafantarana fa taom-pifidianana ny 2023. “Zara fa miresaka momba ny fifidianana anefa ny tetibola ary tsy mipetraka tsara ny momba izany. Tsy ahitana antsipiriany… Tetibolan’ny Ceni ihany ny ao“, hoy izy. Nanteriny fa tsy ahavitan’ny Ceni fifidianana io 52 miliara Ar voasoratra ao io. Tokony ho roa anefa ny fifidianana amin’ny taona ho avy : Filoham-pirenena sy ny ben’ny Tanàna. Samy efa tapitra fe-potoam-piasana ireo, araka ny nambarany. “Tsy ampy hanetsehana ny rafitra sy ny fampitaovana raha io vola io amin’izao herintaona mialoha izao. Mitentina 11 miliara Ar kosa ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana”, hoy ihany izy.
Nohitsiny fa tsy mbola ao anatin’izany ny famatsiam-bola avy amin’ny mpiara-miombona antoka… Mbola misalasala izy ireo, hatramin’izao, araka ny nambarany.
Miandry ny fanitsiana ny tetibola
Etsy andaniny, nanambara ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny alalan’ny mpampaka-teny, i Soava Andriamarotafika fa miandry ny fanitsiana ny tetibola amin’ny taona ho avy ny vola hampiasaina, hiatrehana ny fifidianana. Nanteriny fa mbola eo am-pandrafetana ny tetibola hanatanterahana ny fifidianana 2023 izy ireo izao. Anisan’izany ny filoham-pirenena sy ny ben’ny Tanàna ary koa ny amin’ny 2024, hanaovana ny fifidianana depiote.
Tsiahivina fa tetibola manokana avy amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola no nanombohana ny hetsika fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, amin’izao fotoana izao io.
Synèse R.