Fampandrosoana : ilaina ny fametrahana rafitra fakan-kevitra

                      “Ny lalàna rehetra sy ny politikam-pitondrana rehetra izay handraisana fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena dia tokony hanontaniana ny heviny ary tena manoratra hevitra izy. Izay no andraikiny. Avy eo, anjaran’ny mpanapa-kevitra ny mandray izany na tsia”, hoy ny tale mpandrindra ny teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Harijaona, tamin’ny famaranana ny fivoriana atrikasa Havoria 2, teny amin’ny lapan’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra, Analakely, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fametrahana ny Filankevitra ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-kolontsaina (CESCE) izay voalazan’ny lalàmpanorenana nefa tsy mbola tafatsangana hatramin’izao.

Rehefa mipetraka io rafitra io, ny lalàna no mametraka hoe tokony hanontaniana na hakana hevitra izy. Manatsara ny fanapahan-kevitry ny mpitondra amin’ny fitantanana ny firenena izay dingana izay, ary mampandray anjara ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fampandrosoana. Rehefa mandray fanapahan-kevitra ny fitondrana, maro ny olona resy lahatra sy hiara-miasa amin’ny fanatanterahana izany. Haingana kokoa ny fametrahana sy fanatanterahana ny fanapahan-kevitra amin’izany mba hisian’ny fandrosoana sy haitondra tsara eto amin’ny firenena.

Fanirian’ny eo anivon’ny firaisamonina sivily àry ny hampidirana ny fandinihana sy fandaniana ny tolo-dalàna momba izay fametrahana ny Cesce, izay amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany hataon’ny parlemanta, taona 2023. Efa nisy rahateo ny dingana nataon-dry zareo amin’ny fanatsarana izay tolo-dalàna  izay.

R.Nd.

Partager sur: