Notendren’ny papa Fransoa, ny asabotsy teo, ho evekan’ny diosezin’i Mahajanga ny Mgr Zygmunt Robaskiewicz. Avy amin’ny fikambanana “Missionnaire de la Sainte Famille” ny tenany ary efa nitantana ny diosezin’i Morombe izao nafindra toerana izao.
Teraka ny 16 oktobra 1958 tany Nietuszkowo, Pologne izy.
Nanaraka ny fianarana filozofia sy teolojia tao amin’ny Institut Pontifical de Théologie tao Poznan, ary nahazo ny mari-pahaizana Master sy Licence amin’ny Droit Canonique.
Nohamasinina ho pretra, ny 11 jona 1986 ary voatendry ho evekan’i Morombe, ny 23 avrily 2001 ary nohamasinina ho eveka, ny septambra 2001.
Tsiahivina fa efa nitantana ny diosezin’i Mahajanga ny Monseigneur isany, Razafindratandra
Armand Gaétan Michel Malo, Randrianasolo Joseph Ignace ary farany teo, ny Mgr Rakotondrajao Roger Victor (2010 – 2018). Mpitantana vonjimaika “Administrateur apostolique” kosa taorian’izany amin’ny alalan’ny Mgr Mgr Gustavo Bombin Espino (2018).
Synèse R.