Profesora François-Lévy Dawidson : “Mampandroso firenena ny mandranto fianarana any ivelany”.

Nisy ny atrikasa ho an’ny tanora malagasy tetsy amin’ny minisi­teran’ny Rahara­ham-bahiny Am­pefiloha, ny faran’ ny herinandro lasa teo. Nam­pa­ha­fantarana sy nanoroana azy ireo ny tokony hatao raha te hianatra any ivelany.

Teo anelanelan’ny 1880 -1970, nifindra monina voalohany tany Frantsa ny ankamaroan’ireo miaramilan’ny mpanjanaka tao amin’ ny Tafika frantsay, izay niady tamin’ny Ady lehibe roa. Tsy vitsy ihany koa ny mpianatra avy eto an-drenivohitra, nandranto fianarana momba ny fitsaboana sy ny teolojia. Avy amin’ny fianakaviana novolavolain’ireo manam-pahefana mpanjanaka izy ireo. Nivoitra tsikelikely izany ka nihitatra ho an’ny Malagasy taty aoriana. Ankehitriny, 28 tapitrisa ny isan’ ny Malagasy. Manodidina ny 1% na 240 000 ireo Malagasy monina any amin’ny firenena hafa, raha ny tatitra voaray tamin’ny mpampianatra mpikaroka sady mpampianatra eo anivon’ny sekoly fanomanana any Paris, Profesora François-Lévy Dawidson. “Mampan­droso ny firenena iray manontolo, raha miakatra dimy na 10% fotsiny io taha io”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa ani­san’ny mitondra fahalalana sy fahaiza-manao, manamafy ny fifandraisana amin’ny firenena maro samihafa maneran-tany ary mampandroso ny firenena iray manontolo ny fipetra­hana sy fandrantoana fahalalana any ivelany. Mangeta­heta fahala­lana sy fivoarana ary te hijery zava-baovao ny ankamaroan’ ny tanora malagasy. Maniry te handranto fianarana any ivelan’ i Madagasikara. Mana­mora ny fifandraisan’ny fire­nena amin’ireo firenena any ivelany ny fisiana Malagasy maro any ivelany. “Manampy sy miaro ny firenena tsy ha­raraotin’ny vahiny ihany koa izany”, hoy izy. Mahafantatra ny zava-misy any an-toerana izy ireo ka miezaka manatsara ny fifandraisan’ny firenena roa tonta.
Zavatra hita sy tsapa ma­tetika ny fampifanoherana ny eto Madagasikara sy ny any ivelany. Tsy miankina amin’ny toerana misy ny tsirairay (na eto an-toerana na any ivelany) ny fitiavan-tanindrazana. “Betsaka ny olona mipetraka eto Madagasikara fa manjakazaka sy mandrobaroba ny harem-pirenena fotsiny”, hoy izy nanamafy. Betsaka anefa ny Malagasy na vahiny mipetraka any ivelany fa tia sy mi­tondra ny firenena mala­gasy ao am-pony.

Olana ny visa sy ny vola
Maro ireo tanora malagasy te hianatra any ivelan’i Mada­gasikara. Olana fototra ho azy ireo ny visa sy ny vola hanatanterahana ny fandehanana hila ravinahitra any ivelany, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny mampihemotra azy ireo tsy hoany ivelany izany. Nilaza ny mpampianatra mpikaroka fa tsara ny fahafanta­rana ny tanjona sy ny fiofa­nana tiana hatao alohan’ny hialana eto an-toerana. Nilaza ihany koa izy fa ilaina fantarina ny andraikitra tiana horaisina sy ny hampandrosoana ny fi­renena. “Efa niasa teto Mada­gasikara aho tao anatin’ny taona maharitra ary nanangom-bola talohan’ny niangana teto”, hoy i Manda, Malagasy miasa any Frantsa, nandritra ny “visioconférence”, ny 1 Ao­gositra lasa teo. 40 tapitrisa Ariary ny vola nilaina tany ivelany, talohan’ny nahitany foto-pivelomana tsara an-toerana.

Miha midina hatrany ny lentan’ny fampianarana eto Madagasikara

Samy manana ny fepetra handraisany ireo vahiny mpianatra ao aminy avokoa ny firenena tsirairay avy. Raha ho an’ ny firenena frantsay manokana, tsy maintsy mandalo amin’ ny “parcours sup” avokoa ny vahiny mpianatra rehetra tonga any aminy, raha ny fanazavana. “Miha latsaka hatrany ny haavolentan’ny fampianarana eto Madagasikara, raha ny zavatra hita any an-toerana”, hoy hatrany ny Profesora François-Lévy Dawidson. Nilaza izy fa tsy maintsy mandalo eo anivon’ny “Ecole préparatoire” avokoa ireo tanora avy eto Madagasikara, te handranto fianarana any an-toerana. “Tsy maharaka ny fampianarana misy any ny anakamaroan’ izy ireo noho ny haratsin’ny lentan’ny fampianarana misy eto an-toerana”, hoy hatrany izy. Hirika lehibe ny fahafahana mandeha mianatra any ivelany ka tokony hanararaotra izany ny tanora malagasy.

Mandray ny diplaoma avy eto an-toerana
Mandray ny diplaoma avy eto an-toerana ihany ny oniversite any frantsa, amin’ny maha endri-pampianarana fran­tsay ny fampianarana eto an-toerana. Manana safidy hiditra ao amin’ny taona voalohany ireo efa manana lisantsa eto Madagasikara. Afaka mamerina Master any ivelany kosa ireo manana izany diplaoma izany, amin’ny ankapobeny. “Tsara ny miditra amin’ny oniversitem-panjakana, ho an’ireo mpianatra tsy manana fahafahana ara-bola”, hoy i Stephane, Mala­gasy miasa any ivelany, nandritra ny “visioconférence”, ny 1 Aogositra lasa teo. Nilaza izy fa tsy tokony hatao sakana ny zava-misy hiainan’ny tanora amin’izao fotoana izao.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: