WOT Award 2022: nahasarika tanora anjatony

Natolotra ireo mpandresy nandritra ny fifaninanana WOT award 2022 ny loka ho an’ireo mendrika isan-tsokanjiny avy, tetsy amin’ny IFM Analakely, afakomaly.  Tanora maherin’ny 200 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana. “Mizara ny traikefa ho an’ireo tanora ahafahany mivelatra amin’ny sehatr’asa mikirakira ny teknolojia ny antom-pisian’ny fifaninanana”, hoy ny mpikambana eo anivon’ny WOT, Nadia Rakotonaivo. Miisa efatra ireo sokajy nifaninanan’ny mpandray anjara tamin’ity andiany faharoa ity. Nandrombaka ny teo amin’ny sokajy, “film d’animation” ny ekipan-dRanaivorisoa Tovo. Lasan’i Rasanda Valery, ny teo amin’ny sokajy “Product Design”. Nobatain’ny vondrona Wa-team kosa ny laharana voalohany ho an’ny “Réalité augmenté”, azon’i Fenosoa Andriamahatoraka teo amin’ny “Character Design”. Ankoatra ny lelavola azon’ireo mpandresy, loka ho azy ireo koa ny fiaraha-miasa mivantana  amin’ny RFC sy ny CUA. Marihina fa nifarana ny 06 novambra teo ny fifaninanana ho an’ny sokajy rehetra.

Tsiferana R.

Partager sur: