Ambony ny taham-pahafatesan’ny oratsimba eto Madagasikara noho ny tsy fahafehazana ny teknikam-panondranana. Maro ny fepetra arahina momban’ny lalànan’ny fanondranana ity hazandrano ity eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Oratsimba velona no ahondrana, mitombo avo 5 na 10 heny amin’ny oratsimba nampangatsiahana ny vidin’izany. Tonga tao Ankeliky, kaominina Belo, faritra Menabe, ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga nitsidika ny orinasa AQUAMEN misehatra amin’ny fanondranana oratsimba any ivelany. Tsy mitsahatra mikaroka ny teknika hanatsarana ny vokatra hatrany ny orinasa sy ireo mpandraharaha miantsehatra amin’izany. Fantatra fa mahatratra hatrany amin’ny 3,5 hatramin’ny 4 kilao ny oratsimba iray mivoaka eto Madagasikara. Ankoatra izay, miara-miasa mivantana amin’ny mpanjono ity orinasa ity amin’ny fividianana ny vokatra. Hatavezina ireo oratsimba vao azo ahondrana sy mba ho lafo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Loharano
Mamorona asa sy mamelona fianakaviana maro ny sehatry ny jono. Maherin’ny 600 tapitrisa ireo mivelona amin’ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Loharanon-tsakafo ho an’ny olona maneran-tany ny harena an-dranomasina. Manan-danja manokana izany ho an’ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Loza mitatao ho an’ny rohivoahary an-dranomasina sy ny fanjarian-tsakafo ho an’ny mponina amorontsiraka kosa ny fivelomana amin’ny jono tsy ara-dalàna. Manimba ny toekarena manga maharitra sy ara-drariny eo anivon’ny faritra izany.