Miara-miombon’antoka ny Fondation Danoise Hempel (DHF) sy ny Fikambanana ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM). Natao sonia ny 16 aogositra teo ny fifanarahana.
Mifantoka amin’ny fampiofanana arakasa maharitra ho an’ny mpiasa ny fiaraha-miasa. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefa entina hiarovana ny tontolo mananaina, mba hitondran’ny rohivoahary ny anjara asany avy. Toy ny rano fisotro, ny ala madio, ny morontsiraka sy ny famokarana, sns.
Miara-manatanteraka ity fandaharanasa ity ny FAPBM sy ny Madagascar National Parks (MNP), mba ho tsara tantana ny fiarovana ny faritra arovana (AP) eto amintsika. Mampitombo ny harinkarena eny ifotony, ny faritra ary ny firenena. Araka ny fanadihadiana nataon’ny FAPBM, mahatratra 450 tapitrisa dolara isan-taona ny harinkarena entin’ny sehatra manan-danja eto amintsika, toy ny fizahantany, ny jono ary ny angovo avy amin’ny tohodrano.
Faritra arovana 140
Vinan’ny fanjakana malagasy ny hanitarana ny velaran-tany ho an’ny faritra arovana miisa 140 hatramin’ny taona 2023. Anisan’izany ny fari-dranomasina sy ny morontsiraka, ka tanjona ny hiarovana ny 30%-n’izy ireo. Tanjona ny hisitrahan’ny mponina eny ifotony ny tombontsoa omen’ny AP tsara tantana.
Nilaza ny tale mpanatanteraky ny Fondation Hempel, Anders Holm, fa tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny rohivoahary eto Madagasikara ny fanamafisana ny fahaiza-manao. Mameno ny asa ataonay eto Madagasikara ity tetikasa ity. Toy ny fiarovana ny ala maina. Hanaovana ny fampiharana ny ala any Kirindy faritra Menabe.
Nambaran’ny filohan’ny filankevi-pitantanana ny FAPBM, Rajaspera Bruno, fa ao anatin’ny vina stratejika 2022-2026 ny fitantanana mahomby ny faritra arovana eto Madagasikara. Nahomby hatrany amin’ ny 70% ny zava-bita tamin’ny taona 2022.
Njaka Andriantefiarinesy