Fanararaotra ny JIOI : azo amidy tsara ny zavakanto

Nosokafana, omaly, ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Mahatratra 4 000 any ho any ny vahiny tonga eto Madagasikara. Ankoatra ny fanatanjahantena, mahaliana ny ankamaroan’izy ireo ny mampiavaka ity firenena ity.

Na samy ato anatin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina aza, manana ny mampiavaka azy i Mada­gasikara sy ny Malagasy. Fanararaotra ny fampiantranoana ny lalaon’ny Nosy (JIOI) tahaka izao. Raha hay ny mivarotra ny zavakanto (na zava-kanto), hiteraka fandrosoana ho an’ny tsirairay sy ho an’ny firenena. Mampiaiky ny fahaizan’ny Malagasy ny sary sokitra vita amin’ny hazo. Ny kapa vita amin’ny hoditra. Ny lamba itoeran’ny petakofehy vita tanana. Eo amin’ny sakafo, ny Malagasy irery ihany no manana karazan-koba maro raha ampitahaina amin’ny hainahandron’ireo nosy hafa… Azo atao tsara ny mivarotra azy ireny. Ny fotoana tahaka izao rahateo no ahitana ny lanja sy ny toeran’ny zavakanto (zava-kanto) malagasy manoloana ny sehatra iraisam-pirenena. Mahaliana ny vahiny ve sa tsia ?

Mety ho sakana ny tsy fahaiza-mandresy lahatra

Fifandresen-dahatra ny varotra. Miainga any amin’ilay zavatra na zava-kanto amidy. Maharesy lahatra ve ny endrika amam-bikany? Malaza amin’ny tsy fahampian’ny fitandremana amin’ny famitana ny pitsopitsony farany, ohatra, ny mpanao asa tanana. Mandalo amin’ny fandokafana isan-karazany. Mahay mandoka amin’ny lafiny tsara na kanto ve ny Malagasy?
Matetika, tsy afaka miditra lalina loatra amin’ny fifandresen-dahatra ny Malagasy na te hivarotra ny kantony aza. Anisan’ny antony izany ny tsy fahaizana mifehy ilay kanto. Saika ireo mpanelanelana no mifanatrika mivantana amin’ny vahiny. Ilay teny vahiny, ohatra, hay ihany fa ny mitendry ny valiha (zava-kanto handeha hamidy), tsy vita.
Ny vanim-potoana tahaka izao no ahafahana maka lesona amin’ireo tanjaka sy lesoka amin’ny zavakanto (zava-kanto) malagasy miatrika ny sehatra iraisam-pirenena !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: