Nanomboka ny 2018: miaina anaty fahantrana ny 66,9% amin’ny zaza

Mahazo vahana ny fahantrana lalina eo anivon’ny fianakaviana. “Indrindra ireo entin’ny renim-pianakaviana irery izay tsy nandia fianarana na nisara-bady”, hoy ny MODA.

66,9% amin’ny zaza malagasy no iharan’ny fahantrana marolafy. Antontanisa tsy niova nanomboka ny taona 2018 no ho mankaty, araka ny fanadihadiana momba ny tsy fisitrahan’ny ankizy ny zony amin’ny lafiny maro (MODA). 18,4%-n’ny kilonga miaina anaty fahantrana lalina. Ireo monina any ambanivohitra no tena misedra izany amin’ny taha 73%. Misongadina ny tranga any amin’ny faritra Betsiboka, Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy, satria mahatratra 77, 7% ny taha.
Ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona, 7,1% no tsy misitraka sakafo sy fikarakarana ara-pahasalamana ary rano. Ma­hazo vahana izany ho an’ny faritra atsimo sy andrefan’ny Nosy, araka ny tatitry ny fanadihadiana hatrany.
Hanaovana tombana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy faharoa (ODD 2) momba ny fahantrana marolafy iainan’ny ankizy. Niainga avy amin’ny antontanisa nivoaka amin’ny fanadihadiana momba ny fivoaran’ny mponina sy ny fahasalamana (EDS 5) no hanatanterahana izany. Mijery akaiky ny tsy fisitrahana mifandraika mivantana amin’ny vola ny fanadihadiana : fahasalamana, fanjarian-tsakafo, rano, fahadiovana, fanabeazana. Mety iharan’ny tsy fisitrahana ny zony koa ny ankizy anatin’ny fianakaviana manan-katao. Nana­tontosa ny fanadihadiana ny Ivontoerana nasionaly mikirakira ny antontanisa (Instat) ary nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny vokatra. Nahafahana nijery ny vokatry ny asa rehetra efa vita ny fanadihadiana ary manampy amin’ny fanitsiana ny lesoka ho an’ny asa mbola hatao. Nanamafy ny Unicef fa vonona hanohana ny fanjakana ho fanatrarana ny ODD.

Vonjy A.

Partager sur: