Nifarana, omaly, ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia (OIF), natao tany Djerba, Tonizia. Anisan’ny nandray anjara fitenenana tamin’ireo lohahevitra samihafa nandritra ny roa andro ny Praiminisitra, Ntsay Christian.
Nambarany fa tokony hahitan’ny OIF paikady ny hampihenana ny tsy fitoviana eo amin’ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra. “Tokony hapetraka ny rafitra hampihenana ny saran’ny internet mba hanamorana ny fisitrahana izany. Mila mitady hevitra mba ho takatry ny rehetra ny fitaovana ara-teknolojia mifanaraka amin’izany“, hoy izy. Anisan’izany ny telefaonina, indrindra ho an’ireo vehivavy sy tanora. Nanentana ireo tompon’andraikitra momba izany ny Praiminisitra mba handinika ny paikady ho amin’ny fifanakalozana amin’ny tsenam-barotra ampiasana ny teny frantsay. Hitsinjovana manokana ireo tanora vao miditra amin’ny sehatry ny fandraharahana izany, araka ny nambarany. Nanome soso-kevitra ny amin’ny tokony hahitana vahaolana ara-teknolojika mampiasa teny frantsay koa ny tenany mba hanafainganana ny fametrahana fomba fitantanana mampiasa ny haitao ara-kajy mirindra ny eny anivon’ireo firenena mpikambana.
Teknolojia eny amin’ny ambaratonga fototra
Eo koa ny tokony hanamafisana ny fandaharam-pianarana manofana ny mpianatra hanana fahaizana mikirakira ny teknolojia manomboka any amin’ny ambaratonga fototra.
Tsiahivina fa anisan’ny lohahevitra tamin’izao fihaonana izao ny “ Vehivavy sy ny tanora, atao laharam-pahamehana eo anivon’ny Frankofonia». Eo koa ny « Finiavana sy faharisihan’ny mpitondra sy ny mponina hirona any amin’ny fivoarana ». Manampy izany “Ny haitao ara-kajy mirindra, laharam-pahamehana ho an’ny tontolon’ny Frankofonia”.
Voafidy ho sekretera jeneralin’ny OIF, hitantana mandritra ny efa-taona manaraka indray i Louise Mushikiwabo. Nampahafantarina tamin’ny fotoam-pamaranana koa fa handray ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia andiany faha-19 i Frantsa amin’ny taona 2024.
Synèse R.