Famonoana mpirakidraharaha: mitaky sazy henjana ny sendikà

Manameloka tanteraka ny famonoana ny namanay izao izahay, ary manao antso avo amin’ny manampahefana rehetra ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana tsy hamela izao raharaha izao ho vitavita fotsiny. Indrindra tsy hanome fahafahana vonjy maika na iza na iza voarohirohy amin’izao raharaha izao, fa hanome sazy faran’izay henjana mendrika ny olona nahavita izany.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM), Randriamaro Alain Michel, teny Anosy ny faran’ny herinandro teo, momba ny famonoana mpirakidraharaha fitsarana teny Imerinkasinina, tamin’ny14 novambra lasa teo.

Antsoiny amin’izany ny ao amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka hijery ny hoe: amin’ny fomba ahoana no hahazoan’ny polisy mpiana-draharaha mitondra basy mandehandeha ivelan’ny ora fiasany? Iza no nanome baiko, iza no tomponandraikitra misahana izany? Sao misy hirika hahazoana mamantatra ny fisian’ny basy mandehandeha koa izany? Mba hiara-kiasa ny minisitera roa tonta hanafay ny tsimatimanota amin’ny raharaha vono olona toy izao. Fanindroany izao ny mpirakidraharaha no niharan’ny fanafihana toy izany.

Niniana natao ny famonoana

Mbola hitrikitrihan-dry zareo fa famonoana olona niniana natao iny zava-nitranga iny. Araka ny vaovao, avy any amin’ny fonja io Sinoa io no nahazo fahafahana vonjy maika. Fotoana fohy taorian’izay, nanafatra olona izay polisy mpiana-draharaha tombanana ho mpiambina azy izy. Ahoana no vao tafavoaka ny fonja izy dia miaraka amin’ny polisy, mandeha moto ary tonga any Imerinkasinina? Tsy misy resaka fa vono amin’ny fitifirana avy hatrany no nitranga. Izay no ahazoanay milaza fa tena fanahy iniana natao io vono olona io, araka ny fanazavany.

R.Nd.

Partager sur: