Anosy, Androy, Atsimo Andrefana…: novahana ny olana amin’ny fanisana mpifidy

Anisany mbola sakana amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Ceni ny tsy fisian’ny lalana na koa ny haratsiny amin’ireo distrika maro manerana ny Nosy.  Anisan’izany ny any atsimon’ny Nosy. Nitadiavana vahaola anefa izany ary efa mizotra miandalana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Anisan’ny antony naha tara ny fanisana mpifidy tany an-toerana izany, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra, ny filoha lefitry ny Ceni, Razafimamonjy Laza. “Efa taty amin’ny volana novambra vao nanomboka ny fanoratana ny mpifidy anaty lisi-pifidianana natao tany noho ny antony samihafa”, hoy izy.

Etsy andaniny, efa samy nisitraka ireo fitaovana hoentina manao ny fanavaozana ny lisi-pifidianana avokoa  ireo kaominina sy ny fokontany  ato anatin’ny faritanin’i Toliara. “Tsy maintsy napetraka ny lamina sy ny paikady mba tsy hisian’ny fahatarana intsony”, hoy ihany izy. Vokany, nitombo ny fahavitrian’ireo olom-pirenena nanoratra ny anarany ao anatin’ny lisi-pifdianana.

Tsiahivina fa nidina ifotony tany amin’ny faritra Anôsy, Androy, Atsimo Andrefana ary Ihorombe ny filoha lefitra fahatelo eo anivon’ny Ceni nijery ny mety ho olana amin’izao fotoana fanavaozana ny lisi-pifidianana izao.

Synèse R.

 

Partager sur: