RFC andiany faha-17: ho avy i Gérard Jugnot, mpanatontosa sarimihetsika

Manana talenta sy fahaiza-manao ny Malagasy, raha eo amin’ny  sarimihetsika. Tsy ampy anefa ny fanofanana sy fifampizarana, indrindra ho an’ny tanora eto Madagasikara. Ho fanarenana ny lesoka, hanam-bahiny miavaka ny RFC andiany faha-17.

Miditra amin’ny andiany faha 17 ny « Rencontre de Film Court ». Lasa “17ème Madagascourt Film Festival” ny anarany, manomboka amin’ity taona ity. Mampiavaka ity andiany  ity ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny ivontoeram-panofanana any Frantsa, Unifrance, misehatra eo amin’ny sarimihetsika. Ho avyeto an-tanindrazana i Gérard Jugnot,  mpanatontosa avy amin’io ivontoerana io hanao fampisehoana ny zava-bitany.  Horonantsary miisa 267 no handeha mandritra ny 10 andro.

Nampahafantarina teny amin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, ny alatsinainy 21 novambra 2022 izany, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny mpikarakara sy ny mpiara-miasa ary ny mpiray ombon’antoka.Horonantsary 19 no hifaninana amin’ity andiany ity,Malagasy ny telo amin’ireo . Mizara telo ny fifaninanana:Ny “Fiction”,ny “Documentaire Panafricain” ary  ny fifaninanana nasionaly. Hanehoana ny haavon’ny lentan’ny sarimihetsika sy hanome fanararaotana ho an’ny tanora hipoiran’ny talenta vaovao eto Afrika no tanjona.

Hizara roa amina toerana roa ny hetsika. Ny tapany voalohany, tanterahina eto Antananarivo, ny 25 novambra hatramin’ny 28 novambra. Any Mahajanga kosa ny tapany faharoa, ny 29 novambra hatramin’ny 4 desambra. Fifaninanana sy atrikasa ary fampisehoana no hameno ny “17ème Madagascourt Film Festival”. Hisy ny fampisehoana ankalamanjana ho fanakaikezana sy fanomezana fahafaham-po ny olona rehetra.

“Efa manana ny maha izy azy eto Afrika sy maneran-tany ny fanaovana sarimihetsika malagasy. Mbola malalaka ary  mahavelona izy eto Madagasikara ka tokony hatao matotra amin’izay”, hoy i  Laza, filohan’ny Madagascourt Film Festival.

Lin (Mpianatra asa)

 

Partager sur: