Fandraharahana: olana ho an’ny tanora ny famatsiam-bola

Mipetraka olana ho an’ny tanora malagasy entiny handraharahana ny sehatry ny famatsiam-bola.  “Tsy tokony ho sakana ho azy ireo izany raha toa manomboka amin’ny zavatra eo am-pelatanany izy ireo”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny GCI Antananarivo, Hasina Rakotonanahary. Manatona ho azy ny mpamatsy vola rehefa mandroso vokatra atao. Tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny herinandron’ny fandraharahana ny  atrikasa  tontosa ny faran’ny herinandro.  Niompana manokana amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ity andiany ity. Fototra azon’ny tanora ivelomana tsara ny fidinana eny amin’ny tontolo ambanivohitra. “Afaka ahodina ary ho tonga any amin’ny mpanjifa ny vokatra azo avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana “, hoy i  Hasina Rakotonanahary. Marihina fa mpandray anjara 30, nisehatra tamin’ny fampirantiana tetsy Antaninarenina ny faran’ny herinandro lasa teo. Nizara ny lalam-pahombiazany ho an’ireo mpandraharaha  vao misandratra ireo efa nahazo traikefa.

Tsiferana R.

Partager sur: