Miisa 37 ireo vehivavy marefo avy amin’ny faritra toa an’i Diego, Sainte Marie, Toamasina, Morondava, Mahajanga, Toliara ary Fort Dauphin hofanina amin’ny tetikasa “ Espoir 2.0”. Nampahafantarina teny Ambohijatovo izy ireo, omaly. Maharitra herinandro ny fiofanana, hatramin’ny zoma 25 novambra izao. Karakarain’ny Alternatives Madagascar, ao anatin’ny fandaharanasa “Boot Camp National Pour les Femmes Vulnerables de Madagascar” (BCN), tafiditra amin’ny fankalazana ny faharoa taona nijoroany ny tetikasa. Mifanojo amin’ny herinandron’ny fandraharahana na ny “Global Entrepreneurship Week” (Gew), andro hanoherana ny herisetra mifototra amin’ny lahy sy ny vavy izany. Tanjona ny fampananana asa matotra ho an’ireo vehivavy hofanina ireto. Hiompana amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny zon’ny olombelona, ny fahasamihafana eo amin’ny lahy sy vavy, ny fiterahana na ny “Santé Droit Sexe et Repoduction” (SDSR), ary ny fandraharahana, sy ny “Leader – ship” ny fiofanana.
Fitia (Mpianatra Asa)